Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2731 Manoloana ny fahasarotan’ny fivavahana Ny fahasarotana hafa, indrindra ho an’ireo izay te-hivavaka amim-pahatsorana, dia ny fahamainan’ny fo . Tafiditra amin’ny vavaka am-po izany izay ny fo no voasakana, tsy mahazo tsirony amin’ny fieritreretana, amin’ny fahatsiarovana sy …
  2. 2732 Manoloana ny fakam-panahy amin’ny fivavahana Ny fakam-panahy matetika indrindra, miafina indrindra, dia ny tsy fahampian’ny finoantsika . Malefadefaka kokoa ny fisehon’ny fakam-panahy amin’ny tsy finoana raha miohatra amin’ny fisafidianana ny atao. Rahefa manomboka hivavaka isika, dia indro …
  3. 2733 Manoloana ny fakam-panahy amin’ny fivavahana Fakam-panahy hafa koa, izay anokafan’ny fihamboana ny varavarana mankao, dia ny fahalainana . Ny tian’ny Ray am-panahy ho lazaina amin’ izany dia ny endriky ny harerahan-tsaina avy amin’ny fahaketrahan’ny famolahan-tena, ny fihenan’ny …
  4. 2734 III. Ny fitokiana maha-zanaka Voasedra ny fitokiana maha-zanaka – voaporofo izany – ao anatin’ny fahoriana amam-pijaliana [20] . Ny manahirana indrindra dia ny mikasika ny vavaka fangatahana , na ho an’ny tena na ho an’ny hafa …
  5. 2735 Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ? Ny fanamarinana aloha no tokony hahagaga antsika. Rahefa midera an’Andriamanitra isika na misaotra Azy noho ny soa ankapobeny avy Aminy, tsy dia miahiahy loatra isika ny hahalala raha ankasitrahan’ Andriamanitra ny fivavahantsika. …
  6. 2736 Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ? Miaiky ve isika fa “na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26). Moa ve “ny zavatra tena mahasoa” no angatahintsika amin’Andriamanitra ? Fantatry ny Raintsika tokoa izay ilaintsika, …
  7. 2737 Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ? “Ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo. Mangataka ianareo, fa tsy mahazo, satria ratsy fangataka ianareo, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filan-dratsinareo” (Jak 4,2-3) [23] . Raha amin’ny fo voazarazara …
  8. 2738 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Ny fanambaràna momba ny fivavahana ao amin’ny fitantanam-pamonjena no mampianatra antsika fa miankina amin’ny asan’Andriamanitra ao amin’ny tantara ny finoana. Ny fitokiana maha-zanaka dia avy amin’ny asany tsara indrindra : ny fijaliana …
  9. 2739 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Ao amin’i Md Paoly, tena fahasahiana tokoa izany fitokiana izany [27] , miorina amin’ny vavaky ny Fanahy ao amintsika sy amin’ny fitiavan’ny Ray tsy mivadika izay nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana [28] …
  10. 2740 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Ny vavak’i Jesoa no mahatonga ny fivavahana kristianina ho fangatahana mahomby. Izy no môdelintsika amin’izany, Izy no mivavaka ao amintsika sy miaraka amintsika. Satria ny fon’ny Zanaka tsy mikatsaka afa-tsy izay mahafaly …
  11. 2741 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Mivavaka ho antsika koa i Jesoa, eo amin’ny toerantsika sy ho amin’ny tombon-tsoantsika. Voaravona indray maka tamin’ny Antsony mahery teo amin’ny Hazofijaliana sy neken’ny Ray tamin’ny Fitsanganany ho velona ny fangatahantsika rehetra, …
  12. 2742 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana “Mivavaha lalandava” (1 Tes 5,17), “amin’ny fotoana rehetra sy isa-minitra, misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompontsika” (Efez 5,20), “mahareta ianareo amin’ny fivavahana sy ny fitalahoana ; mivavaha lalandava ianareo ao amin’ny …
  13. 2743 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana Azo atao lalandava ny mivavaka : ny fotoanan’ny kristianina dia ny an’i Kristy nitsangan-ko velona izay “miaraka amintsika, isan’andro” (Mt 28,20), na manao ahoana na manao ahoana ny fitsokan’ny tafiodrivotra [31] . …
  14. 2744 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana Filana eo amin’ny fiainana ny mivavaka. Tsy ampy haharesy lahatra ny porofo mifanohitra amin’izany : raha tsy mety hotarihin’ny Fanahy isika, dia miverina eo ambany fanandevozan’ny fahotana [33] . Ahoana moa no …
  15. 2745 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana Tsy azo sarahina ny fivavahana sy ny fiainana kristianina satria iray ihany ny fitiavana momba izany ary iray ihany ny fandavan-tena vokatr’io fitiavana io. Iray ihany ny fitoviana maha-zanaka sy feno fitiavana …
  16. 2746 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Nony tonga ny Oran’i Jesoa, dia nivavaka tamin’ny Ray Izy [37] . Ny fivavahany, izay lava indrindra nampitain’ny Evanjely, dia mahafaoka ny fitantanana manontolo ny fahariana sy ny famonjena, toy ny fahafatesany …
  17. 2747 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Ara-drariny no iantsoan’ny lovam-panahy kristianina ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa hoe vavaka maha-“mpisorona” Azy. An’ny Mpisorombentsika izany, tsy azo sarahina amin’ny fanoloran-tenany ho Sorona, amin’ny “fandalovany mamakivavaky” (Paka) mankany amin’ny Ray izay …
  18. 2748 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Ao amin’io vavaka Paka sy ara-tSorona io, no “namondronana” ny zava-drehetra ao amin’i Jesoa [39] : Andriamanitra sy izao tontolo izao, ny Teny sy ny nofo, ny fiainana mandrakizay sy ny fotoana, …
  19. 2749 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Nahatontosa manontolo ny tsanganasan’ny Ray i Jesoa, hany ka mahahenika hatramin’ny fahataperan’ny fotoana ny fivavahany, tahaka ny Fanoloran-tenany ho sorona. Nameno ireo fotoana farany ny vavaka tamin’ny Ora ary nitondra ireo mankamin’ny …
  20. 2750 Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa Raha miditra amin’ny Anara-masin’i Jesoa Tompo isika no afaka mandray, avy ao anaty, ny vavaka nampianariny antsika hoe : “Rainay !” Ny vavaka maha-mpisorona Azy no nahazoana hevitra, avy ao anaty, an’ireo …