Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa
Laharana 2750 amin’ny Katesizy
Raha miditra amin’ny Anara-masin’i Jesoa Tompo isika no afaka mandray, avy ao anaty, ny vavaka nampianariny antsika hoe : “Rainay !” Ny vavaka maha-mpisorona Azy no nahazoana hevitra, avy ao anaty, an’ireo fangatahana lehibe amin’ny Rainay : ny fiahiana ny anaran’ny Ray[41], ny firehetam-po amin’ny Fanjakany (ny voninahitra[42]), ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray, ny fandaharam-pamonjeny[43] ary ny fanafahana amin’ny ratsy[44].