IV. Mitozoa amin’ny fitiavana

Laharana 2744 amin’ny Katesizy

Filana eo amin’ny fiainana ny mivavaka. Tsy ampy haharesy lahatra ny porofo mifanohitra amin’izany : raha tsy mety hotarihin’ny Fanahy isika, dia miverina  eo ambany fanandevozan’ny fahotana[33]. Ahoana moa no hahatonga ny Fanahy Masina ho “Fiainantsika” raha lavitra Azy ny fontsika ?

Tsy misy mahasoa noho ny fivavahana : izy no mahatonga izay tsy azo tanterahina ho azo tanterahina, izay sarotra ho mora. Koa tsy azo atao ny hoe olona mivavaka no hanota[34].

Azo antoka fa mamonjy tena izay mivavaka ; tsy isalasalana fa mamery tena izay tsy mivavaka[35].

Loharano ôfisialy ↗