Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ?
Laharana 2736 amin’ny Katesizy
Miaiky ve isika fa “na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26). Moa ve “ny zavatra tena mahasoa” no angatahintsika amin’Andriamanitra ? Fantatry ny Raintsika tokoa izay ilaintsika, na tsy mbola mangataka Aminy akory aza isika[21], nefa miandry ny fangatahantsika Izy, satria ny fahamendrehan’ny zanany dia ao anatin’ny fahafahan’izy ireo. Noho izany, ilaina ny mivavaka miaraka amin’ny Fanahiny maha-olona afaka, mba hahazoana mahalala marina ny faniriany[22].