Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2311 Misoroka ny ady Anjaran’ny fanjakana ny miantoka ara-drariny ireo izay manaraka ny könsiansiny, ka sady mandà tsy hampiasa fitaovam-piadiana, no maharitra hanompo ny firenena amin’ny fomba hafa [75] .
  2. 2312 Misoroka ny ady Ambaran’ny Fiangonana sy ny sain’olombelona fa manan-kery lalandava ny lalàna môraly mandritra ny ady ampiasana fitaovam-piadiana. Rahefa tonga amin’ny tsontsori-mamba hisarahana ka velona ny ady, tsy izany akory no hahatonga ho ara-dalàna …
  3. 2313 Misoroka ny ady Tsy maintsy hajaina sy karakaraina amin-kalemem-panahy ireo tsy nandray anjara tamin’ny ady, ireo miaramila naratra ary ireo sambo-belona. Heloka bevava ny asa amam-pihetsika rehetra iniana atao manohitra ny zon’ny olona sy ny …
  4. 2314 Misoroka ny ady “Ny ady rehetra izay mikendry tsy misy fanavahana handravana tanàna manontolo na faritra midadasika miaraka amin’ny mponina ao aminy, dia heloka bevava manohitra an’Andriamanitra sy ny olombelona mihitsy, ka tsy maintsy helohina …
  5. 2315 Misoroka ny ady Maro ny mihevitra fa ny fanangonana fitaovam-piadiana dia fomba azo hifanoherana ara-kevitra hamiliana ny ady mety ho ataon’ny mpanohitra. Heverin’izy ireo fa izany no fomba tena mahomby mety hiantohana ny fandriampahalemana eo …
  6. 2316 Misoroka ny ady Ny famokarana sy ny fivarotana fitaovam-piadiana dia mahakasika ny soa iombonan’ny firenena rehetra sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Koa noho izany, zo sy adidin’ny Fanjakana ny mandamina fitsipi-pifehezana an’ireny. Ny fitadiavana tombon-tsoa manokana …
  7. 2317 Misoroka ny ady Ny tsy rariny, ny tsy fitoviana mihoa-pampana amin’ny lafiny ara-toe-karena na ara-tsôsialy, ny fitsiriritana, ny fiahiahiana ary ny fiavonavonana izay mamely mafy eo amin’ny samy olombelona sy ny firenena, no loza mitatao …
  8. 2318 Misoroka ny ady “ Andriamanitra no mitana eo ambany fahefany ny fanahin’ny velona rehetra, sy ny fofon’ain’ny tenan’olombelona rehetra ” (Jôba 12,10).
  9. 2319 Misoroka ny ady . Masina ny ain’olombelona rehetra, manomboka amin’ny fotoana iforonany ao am-bohoka ka mandra-pahafatiny, satria ny olombelona amin’ny maha-olombelona azy dia natao mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra velona sady masina.
  10. 2320 Misoroka ny ady Mifanohitra tanteraka amin’ny hasin’ny maha-olona ny olona sy ny fahamasinan’ny Mpahary azy ny famonoan’olona.
  11. 2321 Misoroka ny ady Ny fandraràna ny famonoan’olona dia tsy manafoana ny zo hiaro tena amin’ny fisakanana ny mpamely tsy ho tonga amin’ny fomba mamohehatra. Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna dia adidy lehibe ho an’izay miandraikitra ny …
  12. 2322 Misoroka ny ady . Efa manan-jo ho velona ny zaza, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka. Ny fanalan-jaza mivantana, izany hoe iniana atao ho toy ny tanjona na ho toy ny fomba, dia “ fanao ratsy …
  13. 2323 Misoroka ny ady Noho ny “embryon” tsy maintsy karakaraina toy ny olona, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka, dia tsy maintsy arovana amin’ny maha-izy azy manontolo, tsaboina sy sitranina toy ny olona hafa rehetra izy.
  14. 2324 Misoroka ny ady .Ny etanazia atao an-tsitrapo, na ahoana na ahoana ny fomba ampiasaina ary na inona na inona antony, dia famonoan’olona tsotr’izao. Manohitra tanteraka ny hasina maha-olona sy ny fanajana an’Andriamanitra velona Mpahary azy …
  15. 2325 Misoroka ny ady .Ny famonoan-tena dia manohitra tanteraka ny fahamarinana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Voararan’ny didy fahadimy izany.
  16. 2326 Misoroka ny ady Anisan’ny fahotana lehibe ny fanafintohinana, raha mitarika an-tsitrapo hanao fahotana lehibe, noho ny asa atao na tsy natao.
  17. 2327 Misoroka ny ady .Noho ireo fahavoazana amam-pahoriana sy tsy rariny ateraky ny ady rehetra, tsy maintsy ataontsika izay rehetra azo atao amim-pahendrena hisorohana izany. Hoy ny vavaky ny Fiangonana : “ Amin’ny mosary sy ny …
  18. 2328 Misoroka ny ady Ambaran’ny Fiangonana sy ny sain’ny olombelona fa manan-kery lalandava ny lalàna môraly mandritra ny ady ampiasana fitaovam-piadiana. Heloka bevava ny asa amam-pihetsika rehetra iniana atao manohitra ny zon’ny olona sy ny fitsipi-pitondran-tena …
  19. 2329 Misoroka ny ady “ Ny fifaninanana mampiasa fitaovam-piadiana dia loza faran’izay mampitebiteby ny olombelona rehetra sy mamohehatra ny mahantra amin’ ny fomba tsy azo leferina ” [81] .
  20. 2330 Misoroka ny ady “ Sambatra ireo mpampihavana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy ireo ” (Mt 5,9).