Misoroka ny ady
Laharana 2315 amin’ny Katesizy
Maro ny mihevitra fa ny fanangonana fitaovam-piadiana dia fomba azo hifanoherana ara-kevitra hamiliana ny ady mety ho ataon’ny mpanohitra. Heverin’izy ireo fa izany no fomba tena mahomby mety hiantohana ny fandriampahalemana eo amin’ny samy firenena. Mila fahamalinana ara-môraly hentitra anefa izany fomba fampihemoram-pahavalo izany. Satria, tsy tena afaka miantoka ny fandriampahalemana ny fifaninanana mampiasa fitaovam-piadiana. Tsy manafoana velively ny raharahan’ady izany, fa vao mainka aza manampy trotraka azy. Ny fandanian-karena mihoa-pampana amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana vaovao lalandava dia misakana ny fanatsarana ny fiainan’ireo vahoaka mahantra tsy ampy fivelomana[78], sady misakana koa ny fampandrosoana ny firenena. Mampitombo ny anton’ny fifanoherana sy mampitombo ny loza mety hitranga amin’ny fiitaran’ny ady, ny fitaovam-piadiana tafahoatra.