Misoroka ny ady
Laharana 2314 amin’ny Katesizy
“Ny ady rehetra izay mikendry tsy misy fanavahana handravana tanàna manontolo na faritra midadasika miaraka amin’ny mponina ao aminy, dia heloka bevava manohitra an’Andriamanitra sy ny olombelona mihitsy, ka tsy maintsy helohina mafy tokoa sy tsy amim-pihambahambana”[77]. Ny loza ateraky ny ady môderina dia ny mamorona antony mba hanaovan’ireo mpitana fitaovam-piadiana siantifika, indrindra atômika, biôlôzika na simika, heloka bevava amin’izany.