Misoroka ny ady

Laharana 2313 amin’ny Katesizy

Tsy maintsy hajaina sy karakaraina amin-kalemem-panahy ireo tsy nandray anjara tamin’ny ady, ireo miaramila naratra ary ireo sambo-belona.

Heloka bevava ny asa amam-pihetsika rehetra iniana atao manohitra ny zon’ny olona sy ny fitsipi-pitondran-tena amin’izany zo izany izay mahafehy ny daholobe, toy izany koa ny mandidy hanatanteraka ireny. Tsy ampy hanala tsiny an’ireo izay manaiky izany ny fanekena an-jambany. Tahaka izany ny fandringanana vahoaka, firenena na foko vitsy an’isa, dia azo helohina ho fahotana mahafaty. Voatery ara-pitsipi-pitondran-tena ny olona hanohitra ny baiko izay mandidy handringana olona.

Loharano ôfisialy ↗