Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2346
Ny fahadiovana tsy misy tomika ny fanoloran-tena
Ny fitiavana no manendrika ny hatsaram-panahy rehetra. Eo ambany fitarihany ny fahadiovam-pitiavana no hita fa fianaran’ny olona manolotra ny tenany. Ampiarahana amin’ny fanoloran-tena ny fahaiza-mifehy tena. Ny fahadiovam-pitiavana no mitarika an’ilay izay …
→
-
2347
Ny fahadiovana tsy misy tomika ny fanoloran-tena
Ny herim-panahy fahadiovam-pitiavana dia mivelatra eo amin’ny fisakaizana . Izy no manoro ny mpianatra ny fomba fanarahan-dia sy fakana tahaka an’Ilay izay nifidy antsika ho sakaizany manokana [16] , nanolo-tena manontolo ho …
→
-
2348
Ny faha-samihafa ny fitsipi-pifehezana ny fahadiovam-pitiavana
Voantso ho amin’ny fahadiovam-pitiavana ny vita batemy rehetra. Ny kristianina dia “mitafy an’i Kristy” (Gal 3,27), môdelin’ny fahadiovam-pitiavana rehetra. Ny mpino rehetra an’i Kristy no voantso hadio fitiavana eo amin’ny fiainana araka …
→
-
2349
Ny faha-samihafa ny fitsipi-pifehezana ny fahadiovam-pitiavana
“Ny fahadiovam-pitiavana no tokony hamaritra ny toetran’ny olona araka ny faha-samihafa ny lalam-piainana arahin’izy ireo : ny sasany manokan-tena ho virjiny na manokan-tena ho mpitovo, izay fomba ambony sy tsotra tokoa amin’ny …
→
-
2350
Ny faha-samihafa ny fitsipi-pifehezana ny fahadiovam-pitiavana
Antsoina hiaina ny fahadiovam-pitiavana ao anatin’ny fifadiam-pahafinaretan’ny nofo ny mpifamofo . Ho tsapan’izy ireo ao amin’izany fisedrana izany ny hasoa amin’ny fifanajana, ny fahaizana mifampatoky ary ny fanantenana fa fanomezana azo avy …
→
-
2351
Ny fahotana amin’ny fahadiovam-pitiavana
Ny fitondran-tena vetaveta. Izany dia faniriana ratsy na fahafinaretana manimba amin’ny hafaliam-piraisana ara-nofo. Filibàna manohitra ny môraly ny mampiasa taovam-pananahana ho fitadiavam-pahafinaretana fotsiny amin’ny firaisana ara-nofo, ka sarahina amin’ny fikendrena hiteraka sy …
→
-
2352
Ny fahotana amin’ny fahadiovam-pitiavana
Ny asam-pijangajangana atao amin’ny tena ihany. Izany dia fampiasana ny taovam-pananahan’ny tena amin’ny fanaovana firaisana an-tsitrapo amin’ny tena irery ihany, mba hahazoana fahafinaretan’ny nofon’ny tena amin’izany. “Ao anatin’ny sori-dalan’ny lovam-pampianarana tsy miova, …
→
-
2353
Ny fahotana amin’ny fahadiovam-pitiavana
Ny fijanganjangana. Izany dia firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana ataon’ny lehilahy sy ny vehivavy tsy mpivady sady atao amin-kalalahana. Manohitra mafy tokoa ny hasina maha-olona sy ny maha-lahy na maha-vavy azy ny fijanganjangana, …
→
-
2354
Ny fahotana amin’ny fahadiovam-pitiavana
Ny fampisehoam-betaveta . Izany dia mifototra amin’ny fampisehoana olona manao firaisana ara-nofo tena hita mivantana, na an-tsary, na amin’ ny horonan-tsary, atao amin’ny nahim-po, mba hojeren’ny olon-kafa. Manala baraka ny fahadiovam-pitiavana izany …
→
-
2355
Ny fahotana amin’ny fahadiovam-pitiavana
Ny fivarotan-tena. Izany dia mandoto ny hasina maha-olona an’izay mivaro-tena, aetrin’ny fahafinaretam-piraisana ara-nofo tadiavina avy amin’izany. Manao fahotana lehibe amin’ny tenany koa ilay mividy : manosihosy ny fahadiovam-pitiavana izay narotsaky ny Batemy …
→
-
2356
Ny fahotana amin’ny fahadiovam-pitiavana
Ny fanolanana. Izany dia enti-milaza ny fanatsofohana an-keriny, miampy herisetra, ny taovam-pananahana ao amin’ny an’ny olona iray. Manimba ny rariny sy ny fitiavana izany, sady manosihosy tanteraka ny zon’ny tsirairay ho hajaina, …
→
-
2357
Fahadiovam-pitiavana sy firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy
Ny hoe firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy dia ilazana ny fifandraisana eo amin’ny samy lehilahy na samy vehivavy, izay avy amin’ny fanintonan’ny maha-lahy na ny maha-vavy, manokana na mahery vaika, hiaraka …
→
-
2358
Fahadiovam-pitiavana sy firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy
Tsy azo atao tsinontsinona ny hamaroan’ireo lehilahy sy vehivavy mampiseho ny fisian-toetram-pironana amin’ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Anisan’ny fitsapan-toetra ho an’ny ankamaroan’izy ireo, ny fananany izany fisian-toetra ratsy mikorontana …
→
-
2359
Fahadiovam-pitiavana sy firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy
Voantso ho amin’ny fahadiovam-pitiavana koa ny olona manao firaisan’ ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Afaka ary tokony hiroso tsikelikely sy amin-kerim-po ho amin’ny fahalavorariana kristianina izy ireo, amin’ny alalan’ny herim-panahy …
→
-
2360
III. Ny fifankatiavan’ny mpivady
Nalahatra ho amin’ny fifankatiavan’ny mpivady lehilahy sy vehivavy ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Manjary famantarana sy antoky ny fiombonam-panahy amin’ny fanambadiana ny firaisana ara-nofon’ny mpivady. Eo amin’ny samy vita batemy, ny fifamatoram-panambadiana …
→
-
2361
III. Ny fifankatiavan’ny mpivady
“Ny maha-lahy sy maha-vavy, izay ifanoloran’ny lehilahy sy ny vehivavy ny tenany amin’ny asa manokana sy miavaka ataon’ny mpivady, dia tsy zavatra biôlôzika fotsiny, fa mahakasika ny maha-olombelona amin’izay ananany lalina indrindra. …
→
-
2362
III. Ny fifankatiavan’ny mpivady
“Ireo asa izay anatanterahan’ny mpivady ny firaisany lalina sy madio dia asa mety sy mendrika. Raha iainany amin’ny fomba tena maha-olombelona tokoa ireny asa ireny dia mampisy dikany sy manamora ny fifanoloran-tena …
→
-
2363
III. Ny fifankatiavan’ny mpivady
Amin’ny alalan’ny firaisan’ny mpivady no tanteraka ny zavatra roa kendren’ny fanambadiana : ny soa ho an’ny tenan’izy mivady sy ny fampitana ny aina. Tsy azo sarahina ireo antony roa na soatoavina amin’ny …
→
-
2364
Ny tsy fivadihan’ny mpivady
Ny mpivady no mamorona “ny fiombonam-piainana amam-pifankatiavan’ ny mpianakavy izay naorin’ny Mpahary sy nomeny ny lalànany manokana. Ny fifaneken’ny mpivady no iorenan’io fiombonana io, izany hoe : amin’ ny fifanekena ifanaovan’izy roa …
→
-
2365
Ny tsy fivadihan’ny mpivady
Ny tsy fivadihana dia manambara ny faharetana amin’ny fitanana ny teny nomena. Tsy mivadika Andriamanitra. Mampiditra ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny tsy fivadihan’i Kristy amin’ny Fiangonany ny sakramentan’ny Fanambadiana. Amin’ny …
→