Ny fahadiovana tsy misy tomika ny fanoloran-tena

Laharana 2347 amin’ny Katesizy

Ny herim-panahy fahadiovam-pitiavana dia mivelatra eo amin’ny fisakaizana. Izy no manoro ny mpianatra ny fomba fanarahan-dia sy fakana tahaka an’Ilay izay nifidy antsika ho sakaizany manokana[16], nanolo-tena manontolo ho antsika sy nampandray anjara antsika amin’ny toetra maha-Andriamanitra Azy. Fampanantenana ny tsy fahafatesana ny fahadiovam-pitiavana.

Amin’ny fisakaizana amin’ny namana no mampazava indrindra ny dikan’ny fahadiovam-pitiavana. Rahefa mivelatra eo amin’ny fifandraisan’ ny samy lehilahy, na samy vehivavy, na lehilahy sy vehivavy ny fisakaizana, dia mampiseho soa lehibe ho an’ny rehetra. Izy no mitondra ho amin’ny fiombonana ara-panahy.

Loharano ôfisialy ↗