Ny faha-samihafa ny fitsipi-pifehezana ny fahadiovam-pitiavana

Laharana 2348 amin’ny Katesizy

Voantso ho amin’ny fahadiovam-pitiavana ny vita batemy rehetra. Ny kristianina dia “mitafy an’i Kristy” (Gal 3,27), môdelin’ny fahadiovam-pitiavana rehetra. Ny  mpino rehetra an’i Kristy no voantso hadio fitiavana eo amin’ny fiainana araka ny lalam-piainana arahin’izy ireo avy. Tamin’ny fotoanan’ny Bateminy no nanombohan’ny kristianina hitondra ny fihetseham-pony ao anatin’ny fahadiovam-pitiavana.

Loharano ôfisialy ↗