Ny fahotana amin’ny fahadiovam-pitiavana

Laharana 2352 amin’ny Katesizy

Ny asam-pijangajangana atao amin’ny tena ihany. Izany dia fampiasana ny taovam-pananahan’ny tena amin’ny fanaovana firaisana an-tsitrapo amin’ny tena irery ihany, mba hahazoana fahafinaretan’ny nofon’ny tena amin’izany. “Ao anatin’ny sori-dalan’ny lovam-pampianarana tsy miova, na ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana izany na ny fahalalana ara-môraly avy amin’ny mpino, dia samy manantitrantitra tsy amim-pihambahambana fa asam-pilibàna avy ao anaty sy lehibe, ny asam-pijangajangana atao amin’ny tena ihany.” “Na inona na inona antony, ny fampiasana amin’ny nahim-po ny taovam-pananahana maha-lahy na maha-vavy anaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny an’ny mpivady ara-dalàna dia manohitra tanteraka ny tanjona ampiasana azy.” Satria, ny fahafinaretam-piraisana ara-nofo tadiavina amin’izany dia fahafinaretana ivelan’ny “firaisana ara-nofo takìn’ny didy ara-môraly, izay manatanteraka tsy misy tomika ny anton’ny fifanoloran-tena sy ny fiterahan’ny olombelona, ao amin’ny tontolon’ny fitiavana marina”[19].

Mba hanaovana fitsaràna marina ny amin’ny andraikitra mahadiso ireo olona voakasika izany sy mba hanoritana ny asa pastôraly ho azy ireo, dia tsy maintsy dinihana amin’izany ny tsy fahamatorana ara-pihetseham-po, ny herim-pahazarana raiki-tampisaka, ny toetran’ny tebiteby na anton-javatra hafa ara-tsaina na ara-piaraha-monina mahatonga izany, izay mety hanakely, na hampihena faran’izay kely ny fahadisoana ara-môraly.

Loharano ôfisialy ↗