Ny fahotana amin’ny fahadiovam-pitiavana

Laharana 2353 amin’ny Katesizy

Ny fijanganjangana. Izany dia firaisana ara-nofo  ivelan’ny fanambadiana ataon’ny lehilahy sy ny vehivavy tsy mpivady sady atao amin-kalalahana. Manohitra mafy tokoa ny hasina maha-olona sy ny maha-lahy na maha-vavy azy ny fijanganjangana, satria ireo dia toetra voa-Janahary nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana ny zanaka. Ankoatra izany, fanafitohinana lehibe izy raha misy fanimbàna ny tanora.

Loharano ôfisialy ↗