Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1166 Ny Andron’ny Tompo “Mankalaza ny misterin’ny Paka ny Fiangonana, araka ny lovam-pampianaran’ny apôstôly efa hatramin’ny andro nitsanganan’i Kristy ho velona mihitsy, isaky ny andro fahavalo, izay tena antsoina marina hoe Andron’ny Tompo, na alahady” [42] …
  2. 1167 Ny Andron’ny Tompo Ny alahady no andro ambony indrindra amin’ny fiaraha-miangona amin’ny litorzia, izay hiangonan’ny mpino “ka amin’ny fihainoana ny Tenin’ Andriamanitra sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny Eokaristia, no hanaovan’izy ireo ny fahatsiarovana ny fijaliana, …
  3. 1168 Ny taona litorzika Manomboka amin’ny Hateloan’andron’ny Paka, araka ny maha-loharanom-pahazavany azy, ny andro vaovao ny Fitsanganan-ko velona no mameno ny taona litorzika manontolo amin’ny famirapiratany. Tsikelikely, avy amin’ny andaniny sy ny ankilan’io loharano io, no …
  4. 1169 Ny taona litorzika Noho izany, tsy fety fotsiny eo anivon’ny hafa ny Paka : izy no “Fety fara tampon’ny fety rehetra”, “Manetriketrika indrindra amin’ny manetri-ketrika”, tahaka ny Eokaristia izay sakramentan’ireo sakramenta (ilay Sakramenta lehibe). “Ilay …
  5. 1170 Ny taona litorzika Tamin’ny Kônsilin’i Nicée (taona 325) ny Fiangonana rehetra dia nifanara-kevitra fa ny Paka kristianina dia ho ankalazaina ny alahady izay manaraka ny volana fenomanana (14 Nisan), aorian’ny andro itovian’ny halavan’ny andro sy …
  6. 1171 Ny taona litorzika Ny taona litorzika no famelarana ny endrika maro samihafa ny mistery tokan’ny Paka. Torak’izany indrindra koa ny momba ireo fety manodidina ny misterin’ny Fahatongavana ho nofo (Filazana, Noely, Epifania) izay ankalazana ny …
  7. 1172 Ny fanajana ny Olomasina ao amin’ny taona litorzika “Ny Fiangonana Masina, amin’ny fankalazana ny misterin’i Kristy mandritra ny fihodinan’ny taona, dia manaja amim-pitiavana manokana an’i Maria sambatra, Renin’Andriamanitra, izay niombona tamin-Janany teo amin’ny tsanganasam-pamonjena tamin’ny alalan’ny fifamatorana tsy azo sarahina. …
  8. 1173 Ny fanajana ny Olomasina ao amin’ny taona litorzika Rahefa mahatsiaro ny martiry sy ny olomasina sasany ny Fiangonana, ao anatin’ny fihodinan’ny taona, dia “manambara ny misterin’ny Paka” ao amin’izy ireo na lehilahy na vehivavy “izay nijaly niaraka tamin’i Kristy sy …
  9. 1174 Ny Vavaka isan’Andro Ny misterin’i Kristy, ny Fahatongavany ho nofo sy ny Pakany, izay ankalazaintsika amin’ny Eokaristia, singanina manokana ny amin’ny fiangonana alahady, dia maninteraka sy manova endrika ny fotoana isan’andro amin’ny alalan’ny fankalazana amin’ny …
  10. 1175 Ny Vavaka isan’Andro Voatokana hanjary ho vavaky ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo ny Vavaka isan’Andro. “Ny Tenan’i Kristy mihitsy no manohy ny anjara raharaha maha-mpisorona Azy amin’ny alalan’ny Fiangonany” [57] , amin’ny Vavaka isan’andro ; mandray anjara …
  11. 1176 Ny Vavaka isan’Andro Tsy ny mampirindra ny feo miaraka amin’ny fo izay mivavaka ihany no takìna amin’ny mankalaza ny Vavaka isan’Andro, fa koa “ny manao izay ahazoana fahalalana be dia be momba ny litorzia sy …
  12. 1177 Ny Vavaka isan’Andro Ny antsa sy ny litanian’ny Vavaka isan’Andro dia manatsofoka ny vavaka salamo ao anatin’ny fotoanan’ny Fiangonana, amin’ny fanambaràna ara-panehoana an’ohatra ny fotoana ao anatin’ny iray andro, ny taona litorzika na ny fety …
  13. 1178 Ny Vavaka isan’Andro Ny Vavaka isan’Andro, izay toy ny fitohizan’ny fankalazana ny Eokaristia, dia tsy manavaka fa mitaky amin’ny fomba mifameno ny fitiavam-bavaka samihafa ataon’ny Vahoakan’Andriamanitra, singanina manokana ny fitsaohana sy ny fanajana am-bavaka ny …
  14. 1179 IV.Aiza no mankalaza ? Tsy voafehy amin’ny toerana iray manokana, ny fivavahana amin’ny “fanahy sy ny fahamarinana” (Jo 4,24), araka ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Masina ny tany tontolo ary nankinina amin’ny zanak’olombelona. Ny voalohany, raha miangona amin’ny …
  15. 1180 IV.Aiza no mankalaza ? Rahefa tsy voasakantsakana ny fampiasana ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana [62] , dia afaka manorina trano lehibe natokana hanompoana an’ Andriamanitra amin’ny vavaka, ny kristianina. Tsy toeram-pivoriana tsotra fotsiny ireny fiangonana hita maso ireny, …
  16. 1181 IV.Aiza no mankalaza ? “Ny trano fivavahana izay ao ny Eokaristia no ankalazaina sy tahirizina, izay ao ny mpino no miangona, izay ao ny Zanak’Andriamanitra Mpamonjintsika no atolotra ho antsika eo amin’ny ôtely fanaovan-tsorona, dia hajaina …
  17. 1182 IV.Aiza no mankalaza ? Ny ôteli n’ny Fanekem-pihavanana Vaovao dia ny Hazofijalian’ny Tompo [65] izay avy eo no ipoiran’ny sakramentan’ny misterin’ny Paka. Eo ambonin’ny ôtely izay ivon’ny trano fiangonana, no mahatonga ny fisiana eo ny soron’ny …
  18. 1183 IV.Aiza no mankalaza ? Ny tabernakla dia tsy maintsy apetraka “ao am-piangonana eo amin’ny toerana mendrika indrindra, ombam-panajana lehibe indrindra” [67] . Ny fahamboniana, ny fahazoana mampiasa ary ny fahazoana antoka ny tabernakla misy ny Eokaristia …
  19. 1184 IV.Aiza no mankalaza ? Ny seza fiketrahan’ ny Eveka (cathèdre) na ny fitoeran’ny Pretra dia “tokony hampiseho ny anjara raharahan’ilay izay miandraikitra ny fiangonana sy mitarika ny fivavahana” [69] . Ny polipitra : “Ny fahambonian’ny Tenin’Andriamanitra …
  20. 1185 IV.Aiza no mankalaza ? Manomboka amin’ny Batemy ny famoriana ny Vahoakan’Andriamanitra ; noho izany, ny fiangonana dia tokony hanana toerana fankalazana ny Batemy (toerana fanaovana batemy) sy hanampy amin’ny fahatsiarovana ny toky nomena tamin’ny Batemy (rano …