IV.Aiza no mankalaza ?

Laharana 1181 amin’ny Katesizy

“Ny trano fivavahana izay ao ny Eokaristia no ankalazaina sy tahirizina, izay ao ny mpino no miangona, izay ao ny Zanak’Andriamanitra Mpamonjintsika no atolotra ho antsika eo amin’ny ôtely fanaovan-tsorona, dia hajaina mba ho fanohanana sy ho fankaherezana ny kristianina; tokony ho tsara tarehy sy sahaza ny fivavahana mbamin’ny fankalazana ny Eokaristia io trano io”[63]. Ao amin’io “tranon’ Andriamanitra io”, ny fahamarinana sy ny firindran’ny famantarana izay manorina azy dia tsy maintsy maneho an’i Kristy izay eo sy miasa ao amin’io toerana io[64] :

Loharano ôfisialy ↗