IV.Aiza no mankalaza ?
Laharana 1183 amin’ny Katesizy
Ny tabernakla dia tsy maintsy apetraka “ao am-piangonana eo amin’ny toerana mendrika indrindra, ombam-panajana lehibe indrindra”[67]. Ny fahamboniana, ny fahazoana mampiasa ary ny fahazoana antoka ny tabernakla misy ny Eokaristia[68] dia tokony hampirisika sy hampandroso ny fitsaohana ny Tompo izay tena eo tokoa ao amin’ny Sakramenta Masin’ny ôtely.
Ny diloilo masina (myron), izay ny fanosorana no famantarana ara-tsakramenta amin’ny fitomboky ny fanomezana ny Fanahy Masina, araka ny lovam-panahy, dia tahirizina sy hajaina eo amin’ny toerana azo antoka misy ny toerana masina. Azo ampiarahina ao ny diloilon’ny katekomena sy ny an’ny marary.