IV.Aiza no mankalaza ?

Laharana 1185 amin’ny Katesizy

Manomboka amin’ny Batemy ny famoriana ny Vahoakan’Andriamanitra ; noho izany, ny fiangonana dia tokony hanana  toerana fankalazana ny Batemy (toerana fanaovana batemy) sy hanampy amin’ny fahatsiarovana ny toky nomena tamin’ny Batemy (rano voahasina).

Mitaky fivalozana ny fanavaozam-piainana ny Batemy. Noho izany, ny trano fiangonana dia tokony ho sahaza ny fanehoam-panenenana sy ny fandraisana ny famelan-keloka, ka mila toerana sahaza amin’ny fandraisana ny mpivalo.

Ny fiangonana koa dia tokony ho toerana malalaka izay mahasarika ho amin’ny fanombenan-tsaina sy ho amin’ny vavaka tsy miloa-bava izay manohy sy mampiditra ao anaty ny vavaka Fisaorana lehibe.

Loharano ôfisialy ↗