Ny fanajana ny Olomasina ao amin’ny taona litorzika

Laharana 1172 amin’ny Katesizy

“Ny Fiangonana Masina, amin’ny fankalazana ny misterin’i Kristy mandritra ny fihodinan’ny taona, dia manaja amim-pitiavana manokana an’i Maria sambatra, Renin’Andriamanitra, izay niombona tamin-Janany teo amin’ny tsanganasam-pamonjena tamin’ny alalan’ny fifamatorana tsy azo sarahina. Ao amin’i Maria ny Fiangonana dia migaga sy midera ny vokatry ny tsara indrindra avy amin’ny fanavotana, ary, toy ny ao amin’ny sary iray madio dia madio izy no mibanjina amin-kafaliana, izay irìn’ny tenany rahateo sy antenainy ho izy manontolo”[50].

Loharano ôfisialy ↗