Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2006 III . Ny mahamendri-balisoa Ny teny hoe “mahamendri-balisoa”, dia ilazana, amin’ny ankapobeny, ny karama tsy maintsy aloan ’ny ankohonana na ny fikambanana amin’ny asa nataon’ny iray amin’ireo mpikambana ao aminy, asa izay tsapa ho soa natao …
  2. 2007 III . Ny mahamendri-balisoa Eo anatrehan’Andriamanitra, raha jerena amin’ny hevitra hentitra momba ny zo, dia tsy misy ny mahamendri-balisoa ny olombelona. Satria, tsy misy fetra ny tsy fitovian-jo eo Aminy sy amintsika, sady avy Aminy, ilay …
  3. 2008 III . Ny mahamendri-balisoa Ny mahamendri-balisoa ny olombelona eo akaikin’Andriamanitra amin’ny fiainana kristianina, dia avy amin’izay nomanin’ Andriamanitra tamin-kalalahana hampandray anjara ny olombelona amin’ny tsanganasan’ny fahasoavany . Koa ny asa voalohany amin’izany, dia ny asan’ny maha-Ray …
  4. 2009 III . Ny mahamendri-balisoa Ny fananganana ho zanaka, izay mahatonga antsika, amin’ny alalan’ny fahasoavana, ho mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’ Andriamanitra, dia mety hanome antsika, araka ny fahamarinana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra, ny tena mahamendri-balisoa tokoa . …
  5. 2010 III . Ny mahamendri-balisoa Ny fialohavana manao ny asa, amin’ny raharaham-pahasoavana, dia an’ Andriamanitra, ka tsy misy olona mety ho mendri-balisoa amin’ilay fahasoavana voalohany , izay iandohan’ny fibebahana, ny famelan-keloka ary ny fanamarinana. Aorian’izany , noho …
  6. 2011 III . Ny mahamendri-balisoa Ny fitiavan’i Kristy no loharano ao amintsika izay ipoiran’ny mahamendri-balisoa antsika eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fahasoavana, izay mampiray antsika amin’i Kristy amin’ny fitiavana mahery, no miantoka ny hatsaran’ireo asantsika ho mihoatra ny natoraly, …
  7. 2012 IV. Ny fahamasinana kristianina “Fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy. (…) Satria ireo izay fantany rahateo no notendreny mialoha koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro izy. Ireo …
  8. 2013 IV. Ny fahamasinana kristianina “Ny antso ho amin’ny hafenoam-piainana kristianina sy ho amin’ny fahalavorariam-pitiavana dia miantefa amin’izay rehetra mino an’i Kristy, na inona na inona laharana misy azy ireo sy lalam-piainana arahin’izy ireo” [66] . Ny …
  9. 2014 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny kendren’ny fandrosoam-panahy dia ny firaisana lalina bebe kokoa hatrany amin’i Kristy. Antsoina hoe “místika” io firaisana io, satria izy io no mampiombona amin’ny misterin’i Kristy amin’ny alalan’ny sakramenta – “mistery masina” …
  10. 2015 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny lalan’ny fahalavorariana dia mandalo amin’ny Hazofijaliana. Tsy misy fahamasinana raha tsy misy fahafoizan-tena sy adim-panahy [68] . Mila famolahan-tena sy fampijalian-tena ny fandrosoam-panahy, fa izany no mitarika tsikelikely hiaina ao anatin’ny …
  11. 2016 IV. Ny fahamasinana kristianina Ireo zanaky ny Fiangonana Masina renintsika dia manantena tokoa ny fahasoavan’ny fitozoana hatramin’ny farany sy ny valisoa avy amin’ Andriamanitra Rain’izy ireo, noho ny asa soa nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Ray, …
  12. 2017 IV. Ny fahamasinana kristianina . Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina no manome antsika ny fahamarinan’ Andriamanitra. Tamin’ny nampiraisan’ny Fanahy Masina antsika amin’ny fijaliana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona amin’ny alalan’ny finoana sy ny Batemy, no nampandraisany …
  13. 2018 IV. Ny fahamasinana kristianina . Ny fanamarinana, tahaka ny fibebahana, dia manana lafin’asa roa. Noho ny fanentanan’ny fahasoavana, dia sady miverina amin’ Andriamanitra ny olombelona, no miala amin’ny fahotana, ary koa mandray ny famelan-keloka sy ny …
  14. 2019 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny fanamarinana dia mirakitra famelana ny fahotana, fanamasinana ary fanavaozana ny olona anaty.
  15. 2020 IV. Ny fahamasinana kristianina Tamin’ny alalan’ny fijalian’i Kristy no nahamendrika antsika ahazo ny fanamarinana. Tamin’ny Batemy no nahazoantsika azy. Mampitovy antsika amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izay mahatonga antsika ho marina izy. Ny Voninahitr’Andriamanitra sy i Kristy ary ny …
  16. 2021 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny fahasoavana no vonjy izay omen’Andriamanitra antsika mba hamaliana ny fiantsoana antsika ho tonga zanaka atsangany. Izy no mampiditra antsika ao anatin’ny fiainam-pifankatiavan’ny Trinite Masina.
  17. 2022 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny fialohavana ataon’Andriamanitra amin’ny tsanganasan’ny fahasoavana dia ny mampahita, ny manamboatra ary ny mamoaka ny valin-teny amin-kalalahana ataon’ny olombelona. Ny fahasoavana no mamaly ny faniriana lalina momba ny fahafahan’ny olombelona ; izy …
  18. 2023 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny fahasoavana mahamasina dia fanomezana maimaim-poana izay atolotr’Andriamanitra antsika avy amin’ny fiainany, ary arotsaky ny Fanahy Masina ao amin’ny fanahintsika, mba hanasitrana azy amin’ny fahotana sy hanamasina azy.
  19. 2024 IV. Ny fahamasinana kristianina Ny fahasoavana mahamasina no mahatonga antsika “ho ankasitrahan’ Andriamanitra”. Nalahatra ho isan’ny fahasoavana mahamasina koa ireo fanomezam–pahasoavana, izay fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, fa ny zava-kendreny kosa dia ny soa iombonan’ny …
  20. 2025 IV. Ny fahamasinana kristianina Tsy misy ny mahamendri-balisoa antsika eo anatrehan’Andriamanitra raha tsy araka ny fandaharany amin-kalalahana mampiray ny olombelona amin’ny tsanganasan’ny fahasoavany. An’ny fahasoavan’Andriamanitra aloha ny mahamendri-balisoa, izay vao an’ny fiaraha-miasan’ny olombelona Aminy. Miverina amin’Andriamanitra …