IV. Ny fahamasinana kristianina

Laharana 2015 amin’ny Katesizy

Ny lalan’ny fahalavorariana dia mandalo amin’ny Hazofijaliana. Tsy misy fahamasinana raha tsy misy fahafoizan-tena sy adim-panahy[68]. Mila famolahan-tena sy fampijalian-tena ny fandrosoam-panahy, fa izany no mitarika tsikelikely hiaina ao anatin’ny fiadanana sy ny hafaliana araka ireo hasambarana notorìn’i Jesoa :

Izay miakatra dia tsy hijanona na oviana na oviana ny hanomboka hatrany eo amin’ny fiatombohana, amin’ny alalan’ireo fanombohana tsy manam-piafarana. Izay misondrotra dia tsy hijanona na oviana na oviana ny maniry izay efa fantany[69].

Loharano ôfisialy ↗