Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1646
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Takìn’ny fitiavan’ny mpivady amin’izy mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo, ny tsy fivadihana tsy azo dikaina. Vokatry ny fanomezana ny tenan’izy ireo ihany izay ifanoloran’ny mpivady, io tsy fivadihana io. Tokony ho …
→
-
1647
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Ny antony lalina indrindra dia hita eo amin’ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amin’ny fanekem-pihavanany, sy tsy fivadihan’i Kristy amin’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny fanambadiana ny mpivady dia nahazo fahefana ara-dalàna hampiseho izany tsy …
→
-
1648
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Mety heverina fa sarotra, na tsy azo atao, ny mifatotra amin’ny olona iray mandritra ny fiainana manontolo. Tsy vitan’izany koa fa zava-dehibe ny mitory ny Evanjely fa tia antsika amin’ny fitia varo-maty …
→
-
1649
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Misy anefa ny toe-javatra izay mahatonga ny firaisan-tranon’ny mpivady ho tsy azo atao noho ny antony maro samihafa. Amin’ny toe-javatra toy izany, eken’ny Fiangonana ny fisarahan-toeran ’ny mpivady sy ny fampitsaharana ny …
→
-
1650
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Betsaka ankehitriny, any amin’ny firenena maro, ny katôlika izay mangataka fisaraham-panambadiana araka ny didy aman-dalàna sivily sy manao fifanekena eo anatrehan’ny lalàna sivily ho amin’ny fanambadiana vaovao. Manantitrantitra ny Fiangonana, noho ny …
→
-
1651
Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady
Ny amin’ireo kristianina izay miaina ao anatin’izany toe-piainana izany sy izay mitazona matetika ny finoana ary maniry hitaiza amin’ny fomba kristianina ny zanak’izy ireo, dia adidin’ny Pretra sy ny ankohonan’ny mpino manontolo …
→
-
1652
Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana
“Avy amin’ny toetrany voa-Janahary mihitsy no nandaharana ny fanorenan-tokantrano amin’ny fanambadiana sy ny fifankatiavan’ny mpivady ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana, izay izany no tampony manamarika ny fahatontosany” [175] : Ny zanaka …
→
-
1653
Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana
Ny fahavokaran’ny fifankatiavan’ny mpivady dia mivelatra amin’ny vokatry ny fiainana ara-môraly, ara-panahy sy mihoatra ny natoraly, izay ampitain’ny ray aman-dreny amin’ny zanak’izy ireo amin’ny alalan’ny fanabeazana. Ny ray aman-dreny no mpanabe voalohany …
→
-
1654
Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana
Ireo mpivady izay tsy nomen’Andriamanitra zanaka kosa anefa dia afaka hanana fiainam-panambadiana feno, amin’ny lafiny toe-po sy fomba kristianina. Afaka hamirapiratan’ny fahavokaran’ny fitiava-namana, ny fandraisana olona ary ny fahafoizan-tena ny fanambadian’izy ireo.
→
-
1655
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Sitrak’i Kristy ny ho teraka sy hitombo teo anivon’ny Fianakaviana Masin’i Josefa sy Maria. Tsy hafa tsy akory ny Fiangonana fa ny “fianakavian’Andriamanitra”. Hatrany am-piandohany, ny antokon’olona tao amin’ny Fiangonana, dia matetika …
→
-
1656
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Amin’izao androntsika izao, eo amin’ny tontolo izay matetika miavaka sy manohitra ny finoana mihitsy aza, manana ny lanjany lehibe tokoa ny fianakaviana mpino, zary akanin’ny finoana velona sy misandrahaka. Izany no mahatonga …
→
-
1657
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Ao amin’ny fianakaviana izany, amin’ny fomba ahazoan-tsoa manokana, no iasan’ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy ny raim-pianakaviana, ny reny, ny zanaka, ny mpianakavy manontolo, “amin’ny alalan’ny fandraisana sakramenta, ny vavaka sy ny fisaorana, …
→
-
1658
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Mbola tokony hotsarovana koa ireo olona sasantsasany izay, noho ny toe-piainana tsy takona afenina tsy maintsy iainan’izy ireo – ary matetika tsy fidiny ho azy izany – manakaiky indrindra ny fon’i Jesoa …
→
-
1659
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Hoy i Md Paoly : “Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana. (…) Misy mistery lehibe amin’io ; miantefa amin’i Kristy sy ny Fiangonana no tiako lazaina ” …
→
-
1660
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Ny fifanekem-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray fiombonam-piainana amam-pifankatiavana lalina eo amin’izy roa, dia naorin’ny Mpahary sy nasiany ny lalànany manokana. Araka ny toetra voa-Janahary momba ny fifanekem-panambadiana dia nalahatra …
→
-
1661
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Manambara ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana ny sakramentan’ny Fanambadiana. Manome ny mpivady ny fahasoavana hifankatia amin’ny fitiavana izay nitiavan’i Kristy ny Fiangonany izy ; araka izany, ny fahasoavan’ny sakramenta no mandavorary …
→
-
1662
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Miorina amin’ny fanekena ifanaovan’ny mpivady ny fanambadiana, izany hoe vokatry ny safidim-po hifanolo-tena sy ho varo-maty ao anatin’ny tarigetra hiaina ny fifanekem-pitiavana tsy mivadika sy hiteraka.
→
-
1663
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Noho ny fanambadiana mametraka ny mpivady amin’ny toe-piainana ampahibemaso ao amin’ny Fiangonana, dia tsara raha atao ampahibemaso ny fankalazana azy, ao anatin’ny fankalazana litorzika, eo anatrehan’ny Pretra (na vavolombelona notendren’ny Fiangonana), sy …
→
-
1664
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Ny maha-tokana, ny maha-tsy azo ravana ary ny fahalalahana hiteraka dia foto-javatra ilaina amin’ny fanambadiana. Ny fampirafesana dia tsy afa-miaraka amin’ny maha-tokana ny fanambadiana ; ny fisaraham-panambadiana dia mandrava ny nakamban’Andriamanitra ; …
→
-
1665
VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano
Ny fanambadiana olon-kafa ataon’izay nisaraka tamin’ny vadiny ara-dalàna mbola velona dia mandika ny fandaharana sy ny lalànan’ Andriamanitra nampianarin’i Kristy. Tsy tafasaraka amin’ny Fiangonana izy ireo, nefa tsy afaka mandray ny kômonion’ny …
→