Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1681 I.Ny Paka faran’ny kristianina Ny hevitra kristianina momba ny fahafatesana dia voambara ao amin’ny fahazavan’ny misterin’ny Pakan ’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona, izay iorenan’ny hany fanantenantsika. Ny kristianina izay maty ao amin’i Kristy …
  2. 1682 I.Ny Paka faran’ny kristianina Ny andron’ny fahafatesana no misantatra ho an’ny kristianina, amin’ny faran’ny fiainany ara-tsakramenta , ny fahatanterahan’ny fahateraham-baovaony natomboka tamin’ny Batemy, ny “fitoviana” tsy miova intsony amin’ny “endriky ny Zanaka” nomena tamin’ny fanosorana amin’ny …
  3. 1683 I.Ny Paka faran’ny kristianina Ny Fiangonana, amin’ny maha-Reny azy, izay nitondra ara-tsakramenta tao am-bohokany ny kristianina nandritra ny fivahiniany tety an-tany, dia mambomba azy eo am-pamaranana ny diany mba hametraka azy “eo am-pelatanan’ny Ray”. Atolony amin’ny …
  4. 1684 II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana Fankalazana iray ara-litorzian’ny Fiangonana ny fandevenana kristianina. Amin’ny alalany, ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana, amin’ity toe-javatra ity, dia sady mba hanehoana ny fiombonana bebe kokoa amin’ny maty , no hampandraisana anjara amin’izany ny mpiara-miangona …
  5. 1685 II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana Ny fombam-pivavahana fandevenana samihafa dia maneho ny toetra manokana momba ny Pakan’ ny fahafatesana kristianina sy mamaly ny toe-piainana sy ny lovantsofin’ny faritra tsirairay, na dia izay mahakasika ny loko litorzika aza …
  6. 1686 II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana Ny Boky momba ny fandevenana ( Ordo exsequiarum ) (OEx)) amin’ny litorzia rômanina dia manolotra karazana fankalazana telo amin’ny fandevenana, mifanaraka amin’ny toerana telo ny fizotrany (ao an-trano, ao am-piangonana, eny am-pasana), …
  7. 1687 II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana Ny fandraisana ny mpiara-miangona . Ny fiarahabana amim-pinoana no manokatra ny fankalazana. Ny havan’ny maty no raisina amin’ny alalan’ny teny “fampiononana” (amin’ny hevitry ny Testamenta Vaovao : ny herin’ny Fanahy Masina ao …
  8. 1688 II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana Ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra , amin’ny fotoam-pandevenana, dia mitaky fanomanana voatandrina tsara tokoa satria ny mpiangona tonga eo dia mety hisy mpino tsy dia mazoto loatra amin’ny litorzia, mety hisy tsy kristianina …
  9. 1689 II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana Ny Sorona Eokaristika . Raha ao am-piangonana no atao ny fankalazana, dia ny Eokaristia no votoatin’ny fisian’ny Pakan’ny fahafatesana kristianina [20] . Amin’ izany no anambaràn’ny Fiangonana ny fiombonana bebe kokoa amin’ilay …
  10. 1690 II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana Ny veloma farany (“any amin’Andriamanitra”) atao amin’ny maty no “fanankinana azy amin’Andriamanitra” ataon’ny Fiangonana. Izany no “fara veloma izay anaovan’ny ankohonana kristianina veloma an’ilay anisan’ny rantsambatany, alohan’ny itondrana ny vatan’ilay maty any …
  11. 1691 Ny fiainana ao amin’i Kristy “Ry kristianina, fantaro ny fahamendrehanao. Satria mandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra ianao ankehitriny, ka aza miverina mikororosy fahana indray amin’ny fiainanao taloha. Tsarovinao hoe : amin’ny Filoha iza no misy anao ary …
  12. 1692 Ny fiainana ao amin’i Kristy Ny Sembolin’ny finoana dia manambara ampahibemaso ny halehiben’ny fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona eo amin’ny tsanganasa fahariany, fa indrindra koa amin’ny fanavotana sy ny fanamasinana. Izay ambaran’ny finoana, dia ampitain’ny sakramenta : amin’ny …
  13. 1693 Ny fiainana ao amin’i Kristy Nanao izay nahafaly lalandava ny Ray i Kristy Jesoa [2] . Niaina lalandava tamin’ny fiombonana lavorary niaraka Taminy Izy. Toy izany koa, asaina hiaina eo ambany mason’ny Ray “izay mahita ao amin’ny …
  14. 1694 Ny fiainana ao amin’i Kristy Noho ireo kristianina voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy [3] , dia “maty amin’ny fahotana fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa” (Rôm 6,11) izy ireo, ka mandray anjara araka izany …
  15. 1695 Ny fiainana ao amin’i Kristy “Nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ny Andriamanitsika” (1 Kôr 6,11), sy nohamasinina ary nantsoina ho masina [8] ny kristianina rehetra ka manjary “Tempolin’ny Fanahy Masina ” (1 Kôr 6,19). Io …
  16. 1696 Ny fiainana ao amin’i Kristy “ Ny lalan’i Kristy no mahatonga any amin’ny fiainana” (Mt 7,14)) ; ny lalana mifanohitra amin’izany kosa, “mahatonga any amin’ny fahaverezana” (Mt 7,13) [13] . Hita lalandava ao amin’ny katesezin’ny Fiangonana ny …
  17. 1697 Ny fiainana ao amin’i Kristy Amin’ny katesezy , zava-dehibe ny mampiseho mazava tsara ny hafaliana sy ny adidy takìna amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy [15] . Ho toy izao ao Aminy ny katesezin’ny “fiainam-baovao” (Rôm 6,4) : - …
  18. 1698 Ny fiainana ao amin’i Kristy Ny Tenan’i Jesoa-Kristy lalandava, izay “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jo 14,6), no ho fanovozam-pahalalana voalohany sy farany amin’ity katesezy ity. Ny fibanjinana amim-pinoana an’i Kristy no ahafahan’ireo mpinony manantena fa ny …
  19. 1699 Ny fiantsoana ny olombelona : ny fiainana ao amin’ny fanahy Ny fiainana ao amin’ny Fanahy Masina no manatanteraka ny fiantsoana ny olombelona ( toko voalohany ). Fiainana natao ho amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny firaisan-kinan’ny olombelona ( toko faharoa ). Fiainana nomena …
  20. 1700 Ny fahamendrehan’ny olombelona Ny nahariana ny olombelona hitovy endrika sy hifanahaka amin’ Andriamanitra no fototry ny fahamendrehany ( andalana 1 ) ; tanteraka izany amin’ny fiantsoana azy ho amin’ny hasambaran’Andriamanitra ( andalana 2 ). Anjarany …