Ny fiainana ao amin’i Kristy
Laharana 1691 amin’ny Katesizy
“Ry kristianina, fantaro ny fahamendrehanao. Satria mandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra ianao ankehitriny, ka aza miverina mikororosy fahana indray amin’ny fiainanao taloha. Tsarovinao hoe : amin’ny Filoha iza no misy anao ary amin’ny Vatana inona no misy anao rantsambatana. Tadidionao fa nalàna tamin’ny fahefan’ny maizina ianao mba hafindra ao amin’ny fahazavana sy ny Fanjakan’ Andriamanitra”[1].