Ny fiainana ao amin’i Kristy

Laharana 1694 amin’ny Katesizy

Noho ireo kristianina voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy[3], dia “maty amin’ny fahotana fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa” (Rôm 6,11) izy ireo, ka mandray anjara araka izany amin’ny fiainan’ilay Nitsangan-ko velona[4]. Amin’ny fanarahan’izy ireo an’i Kristy sy amin’ny firaisana Aminy[5], no ahafahan’izy ireo manahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanaka malala sy manaraka ny lalam-pitiavana[6], amin’ny fampanarahana ny eritreritr’izy ireo, ny tenin’izy ireo ary ny asan’izy ireo “amin’ny saina amam-panahy izay ao amin’i Kristy Jesoa” (Filip 2,5) sy amin’ny fanarahana ny oha-piainany[7].

Loharano ôfisialy ↗