Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1441
Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana
Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana rehetra [34] . Satria i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra, koa dia Izy ihany no milaza ny amin’ny Tenany : “Ny Zanak’Olona manana fahefana ety an-tany hanafaka …
→
-
1442
Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana
Sitrak’i Kristy raha ny Fiangonany manontolo, ao amin’ny fivavahany sy ny fiainany ary ny asa amam-pitondran-tenany, no ho famantarana sy fitaovan’ny famelan-keloka sy fampihavanana izay nampahazoany antsika noho ny rany. Nankininy tamin’ny …
→
-
1443
Fampihavanana amin’ny Fiangonana
Nandritra ny fiainany ampahibemaso, tsy namela ny fahotana fotsiny i Jesoa, fa nampiseho koa ny vokatr’io famelana io : nampiditra indray ny mpanota voavela heloka ho ao amin’ny fiombonan’ny Vahoakan’ Andriamanitra Izy, …
→
-
1444
Fampihavanana amin’ny Fiangonana
Tamin’ny nanomezan’ny Tompo ny anjara fahefan’ny Tenany manokana hamela ny fahotana, ho an’ny apôstôly, no nanomezany azy ireo koa ny fahefana hampihavana ny mpanota amin’ny Fiangonana. Izany halehiben’ ny lahasan’izy ireo momba …
→
-
1445
Fampihavanana amin’ny Fiangonana
Ny teny hoe mamehy sy mamaha dia midika hoe : ilay izay horoahinareo tsy ho ao amin’ny fiombonanareo, dia ho voaroaka tsy ho ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra ; ilay izay horaisinareo indray …
→
-
1446
Ny sakramentan’ny famelan-keloka
Nanorina ny sakramentan’ny Fivalozana i Kristy ho an’ny rantsambatany rehetra mpanota, rantsambatan’ny Fiangonany, indrindra moa ho an’ireo izay latsaka tao anatin’ny fahotana lehibe sy namery ny fahasoavan’ny Batemy tamin’izany ary nandratra ny …
→
-
1447
Ny sakramentan’ny famelan-keloka
Nandritra ny taonjato nifandimby, ny endrika azo tsapain-tanana, araka ny nampiasan’ny Fiangonana io fahefana noraisina avy amin’ny Tompo io, dia niovaova be ihany. Nandritra ny taonjato voalohandohany, ny fampihavanana ny kristianina izay …
→
-
1448
Ny sakramentan’ny famelan-keloka
Tamin’ny alalan’ny fiovaovàna izay nodiavin’ny fitsipika sy ny fankalazana an’ity sakramenta ity nandritra ny taonjato nifandimby, no nanavahana ny rafitra fototra iray ihany tsy miova. Manana singafototra anankiroa samy ilaina izy ; …
→
-
1449
Ny sakramentan’ny famelan-keloka
Maneho ny singafototra tsy azo avela amin’ity sakramenta ity, ny rijan-teny famotsoran-keloka fampiasa ao amin’ny Fiangonana latinina : ny Rain’ny famindram-po no loharanon’ny famelana rehetra. Izy no manatanteraka ny fampihavanana ny mpanota …
→
-
1450
VII. Ny asan’ny mpivalo
“Ny Fivalozana no manery ny mpanota hanaiky an-tsitrapo ny singafototra rehetra amin’izany : ao am-pony, ny fanenenana ; amin’ny vavany, ny fiekena ny fahotana ; amin’ny fihetsiny, ny fanetren-tena feno tanteraka na …
→
-
1451
Ny fanenenana
Ny fanenenana no loha laharana, amin’ireo asan’ny mpivalo. Ny fanenenana dia “alahelon’ny fo sy fankahalana ny fahotana natao, omban’ny fikasana mafy tsy hanota intsony amin’ny hoavy” [43] .
→
-
1452
Ny fanenenana
Raha avy amin’ny fitiavana an’Andriamanitra tiana mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fanenenana, dia antsoina hoe “lavorary” izy (fanenenana avy amin’ny fitiavana). Ny fanenenana toy izany dia mahafaka ny fahotana madinika ; …
→
-
1453
Ny fanenenana
Ny fanenenana lazaina hoe “tsy lavorary” (na “fanenenana tsara antoniny”), dia fanomezan’Andriamanitra koa, tosi-kerim-pamporisikin’ ny Fanahy Masina. Mipoitra avy amin’ny fiheverana ny haratsian’ny fahotana izy io, na avy amin’ny fahatahorana ny ho …
→
-
1454
Ny fanenenana
Tsara ny manomana ny fandraisana an’ity sakramenta ity amin’ny fandinihana ny kônsiansy atao eo ambany fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Ny lahatsoratra sahaza indrindra amin’izany dia tadiavina ao amin’ny Didy folo sy ao amin’ny katesezy …
→
-
1455
Fikônfesena ny fahotana
Ny fikônfesena ny fahotana (fiekena), na amin’ny fomba fijery maha-olona tsotra fotsiny izao aza, dia manafaka antsika sy manamora ny fihavanantsika amin’ny hafa. Amin’ny alalan’ny fiekena no ijeren’ny olona eo anoloany ny …
→
-
1456
Fikônfesena ny fahotana
Ny fikônfesena ny fahotana amin’ny Pretra dia anisan’ny ampahany tsy azo avela amin’ny sakramentan’ny Fivalozana : “Ny mpivalo, amin’ny alalan’ny kônfesy, dia tsy maintsy mitanisa ny fahotana mahafaty rehetra izay tsaroany rahefa …
→
-
1457
Fikônfesena ny fahotana
Araka ny didin’ny Fiangonana, “ny mpino rehetra tonga amin’ny taona mahavory saina, dia tsy maintsy mikônfesy ny fahotana lehibe izay tsaroany, fara fahakeliny indray maka isan-taona” [50] . Ilay izay mahatsiaro tena …
→
-
1458
Fikônfesena ny fahotana
Na tsy hentitra aza ny ilana ny fikônfesena ny hadisoana isan’andro (fahotana madinika), dia hafatrafaran’ny Fiangonana tokoa ny hanaovana izany [54] . Satria, ny mikônfesy matetika ny fahotana madinika no manampy antsika …
→
-
1459
Ny fanonerana
Maro ny fahotana mitera-pahavoazana ho an’ny namana. Tsy maintsy manao izay azao atao mba hanonerana izany (ohatra : mamerina ny zavatra nangalarina, manarina ny lazan’izay nendrikendrehina, mitsabo ny ratra). Mitaky izany ny …
→
-
1460
Ny fanonerana
Ny fivalozana izay andidian’ny mpampikônfesy dia tokony hoheverina amin’ny toerana manokana misy ny mpivalo ary tokony hikendry ny soa ho an’ny fanahiny. Tokony hifanentana araka izay azo atao amin’ny halehibe sy amin’ny …
→