Fikônfesena ny fahotana

Laharana 1457 amin’ny Katesizy

Araka ny didin’ny Fiangonana, “ny mpino rehetra tonga amin’ny taona mahavory saina, dia tsy maintsy mikônfesy ny fahotana lehibe izay tsaroany, fara fahakeliny indray maka isan-taona”[50]. Ilay izay mahatsiaro tena fa nanao fahotana  mahafaty dia tsy mahazo mandray ny kômonio Masina, raha tsy efa nahazo ny famotsoran-keloka ara-tsakramenta, na dia latsa-panenenana lalina aza izy[51], raha tsy hoe misy antony lehibe ny handraisany kômonio sy raha tsy mahita mpampikônfesy ho hatonina izy[52]. Ny ankizy dia tsy maintsy mandray ny sakramentan’ny Fivalozana alohan’ny handraisany voalohany ny kômonio Masina[53].

Loharano ôfisialy ↗