Ny sakramentan’ny famelan-keloka

Laharana 1446 amin’ny Katesizy

Nanorina ny sakramentan’ny Fivalozana i Kristy ho an’ny rantsambatany rehetra mpanota, rantsambatan’ny Fiangonany, indrindra moa ho an’ireo izay latsaka tao anatin’ny fahotana lehibe sy namery ny fahasoavan’ny Batemy tamin’izany ary nandratra ny fiombonam-piangonana, taorian’ny Batemy. Ho azy ireo no anoloran’ny sakramentan’ny Fivalozana ny fahafahana vaovao hibebaka sy hahazo indray ny fahasoavam-panamarinana. Ny Aban’ny Fiangonana dia mampiseho ity sakramenta ity ho “ody faty faharoa [mahavonjy] taorian’ny faharendrehana, izay tsy inona fa ny fahaverezan’ny fahasoavana”[40].

Loharano ôfisialy ↗