Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1201 Lovam-panahy litorzika sy maha-katôlika ny Fiangonana Tsy hita noanoa ny haren’ny misterin’i Kristy, hany ka tsy misy lovam-panahy litorzika na dia iray aza afaka hahatapitra ny fanehoana izany. Ny tantaran’ny fisehoana amam-pivelaran’ireny fombam-pivavahana ireny dia manaporofo fifamenoana mampitolagaga. …
  2. 1202 Lovam-panahy litorzika sy maha-katôlika ny Fiangonana Ny lovam-panahy samihafa ara-litorzia dia nipoitra arakaraka ny fanirahana ny Fiangonana ihany. Ireo Fiangonana iray faritra ara-jeôgrafia sy ara-kolontsaina dia tonga mankalaza ny misterin’i Kristy amin’ny alalan’ny fanehoan-tandindona hafa kely, nasiana endrika …
  3. 1203 Lovam-panahy litorzika sy maha-katôlika ny Fiangonana Ny lovam-panahy litorzika, na fombam-pivavahana, ampiasaina ankehitriny ao amin’ny Fiangonana, dia ny fombam-pivavahana latinina (voalohany indrindra ny fombam-pivavahana rômanina, fa eo koa ireo fombam-pivavahan’ny Fiangonana sasany eo an-toerana toy ny fombam-pivavahana ambrôzianina, …
  4. 1204 Litorzia sy kolontsaina Noho izany, tokony hifanandrify amin’ny toetra mampiavaka ny firenena samihafa sy ny kolontsainy, ny fankalazana amin’ny litorzia [5] . Mba “hahafantaran’ny firenena rehetra” ny misterin’i Kristy, “ka hitarihana azy ireo hanaiky ny …
  5. 1205 Litorzia sy kolontsaina “Amin’ny litorzia, indrindra ny an’ny Sakramenta, dia misy ampahany tsy azo ovàna - satria fanorenana avy amin’Andriamanitra izany –, izay ny Fiangonana no mpitahiry, sy ampahany maro azo ovàna , izay ananan’ny …
  6. 1206 Litorzia sy kolontsaina “Ny faha-samihafa ara-litorzia dia mety ho loharanon-karem-panahy, mety koa hahatonga fifanolanana, na tsy fifankahazoan’ny andaniny sy ny ankilany, na ho fisaraham-bazana mihitsy aza. Ao amin’ity sehatra ity, dia mazava fa tsy tokony …
  7. 1207 Litorzia sy kolontsaina Tokony ho ezahina ny mampiseho ny fankalazana ny litorzia amin’ny kolontsain’ny vahoaka izay misy ny Fiangonana ; tsy tokony hilefitra anefa izy, eo anatrehan’ilay kolontsaina. Ankoatra izany, ny litorzia dia miteraka kolontsaina …
  8. 1208 Litorzia sy kolontsaina Ny lovam-panahy samihafa ara-litorzia, na fombam-pivavahana, nekena fa ara-dalàna, satria mampahalala sy mampita ny misterin’i Kristy rahateo ihany, no maneho ny maha-katôlika ny Fiangonana.
  9. 1209 Litorzia sy kolontsaina Ny mari-pitsaràna izay miantoka ny firaisana ao anatin’ny fahamaroan’ endriky ny lovam-panahy litorzika, dia ny tsy fivadihana amin’ny Lovam-panahy avy amin’ny apôstôly, izany hoe : ny fiombonana amin’ny finoana sy ireo sakramenta …
  10. 1210 Ny sakramenta fito an’ny Fiangonana I Kristy no nanorina ireo sakramentan’ny Lalàna vaovao, ary fito no isany, ka ireto avy izany : ny Batemy, ny Fankaherezana, ny Eokaristia, ny Fivalozana, ny Fanosorana ny marary, ny Filaharana ary …
  11. 1211 Ny sakramenta fito an’ny Fiangonana Amin’ny fanarahana io fifanahafana io, dia hovelabelarina aloha ny sakramenta telo firosoana ho kristianina ( toko voalohany ), manaraka izany ny sakramenta fanasitranana ( toko faharoa ), farany ny sakramenta izay fiandraiketana …
  12. 1212 Ny sakramenta firosoana ho kristianina Amin’ireo sakramenta firosoana ho kristianina : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia, no iorenan’ny fototry ny fiainana kristianina manontolo. “Ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra, omena ny olombelona amin’ny alalan’ny faha-soavan’i …
  13. 1213 Ny sakramentan’ny Batemy Ny Batemy masina no fototry ny fiainana kristianina manontolo, tokonam-baravaran’ny fiainana ao amin’ny Fanahy ( vitae spiritualis ianua ), sy varavarana izay manokatra ny fidirana amin’ireo sakramenta hafa. Tamin’ny Batemy isika no …
  14. 1214 I. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Antsoina hoe Batemy izy araka ny fombam-pivavahana fototra izay anatanterahana azy : ny manao batemy ( baptizein amin’ny teny grika), dia midika hoe “ mandentika ao anaty rano”, “manatsoboka ao anaty rano” …
  15. 1215 I. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? Ity sakramenta ity dia antsoina koa hoe : “ fampandroana ho amin’ny fahateraham-baovao sy ho amin’ny fanavaozana ao amin’ny Fanahy Masina” (Tito 3,5), satria izy no mampahafantatra sy manatanteraka io fiterahana amin’ny …
  16. 1216 I. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? “Antsoina hoe fanazavana io fandroana io, satria ireo izay mandray ity fampianarana [momba ny katesezy] ity, dia manana fanahy voazava…” [15] . Ny vita batemy, noho izy nandray tamin’ny Batemy an’ilay Teny …
  17. 1217 Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Ny Fiangonana, amin’ny litorzian’ny Alin’ny Paka, rahefa manao ny fanamasinana ny rano fanaovana Batemy , dia mampahatsiaro amin’ny fomba manetriketrika ireo zava-dehibe niseho teo amin’ny tantaram-pamonjena izay efa nanambara mialoha sahady ny …
  18. 1218 Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Hatrany am-piandohan’izao tontolo izao, ny rano, izay zavaboary tsotra sy mahagaga, no loharanon’ny aina sy ny fiterahana amam-pahavokarana. Ny Soratra Masina dia mahita azy ho toy ny “fikotrehana” amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra [20] …
  19. 1219 Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Hitan’ny Fiangonana tao amin’ny Sambofiaran’i Nôe ny tandindon’ny famonjena amin’ny Batemy. Satria, tamin’ny alalany ny “olona vitsy, valo monja ny fitambarany, no voavonjy tamin’ny rano” (1 Pi 3,20). Tamin’ny fisondrotry ny safo-drano, …
  20. 1220 Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha Raha ny ranon’ny loharano no maneho an’ohatra ny fiainana, ny ranon’ny ranomasina kosa no maneho an’ohatra ny fahafatesana. Izany no antony ahafahan’ny fanehoana an’ohatra mampiseho an-tsary ny misterin’ny Hazofijaliana. Avy amin’io fanehoana …