Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
921
Fiainan’ny mpitoka-monina irery
Asehon’izy ireo amin’ny tsirairay io endrika anatin’ny misterin’ny Fiangonana io, izay tsy inona fa fisakaizana lalin’ny tsirairay amin’i Kristy. Ny fiainan’ny mpitoka-monina irery, takona eo imason’ny olombelona, dia fitoriana mangina an’Ilay izay …
→
-
922
Ny virjiny sy ny maty vady manokan-tena
Hatramin’ny andron’ny apôstôly, nisy virjiny [466] kristianina sy maty vady [467] , nantsoin’ny Tompo hifikitra Aminy manontolo ao anatin’ny fahafahana tanteraky ny fo sy ny vatana ary ny fanahy, izay nandray fanapahan-kevitra, …
→
-
923
Ny virjiny sy ny maty vady manokan-tena
“Amin’ny fanambaràna ny tenim-pikasana masina hanaraka an’i Kristy akaikikaiky kokoa, [ny virjiny] no manokan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Eveka mitondra diôsezy araka ny fombam-pivavahana litorzika ankatoavina, no manambady amin’ny fomba mistika an’i …
→
-
924
Ny virjiny sy ny maty vady manokan-tena
Noho ny fikambanan’ny virjiny, “mitovitovy fomba amin’ireo fikambanan’ny manokam-piainana ho an’Andriamanitra” [470] , dia mametraka ny vehivavy miaina eto amin’izao tontolo izao (na ny relijiozy vavy mihiboka) ho amin’ny fivavahana, fivalozana, fanompoana …
→
-
925
Ny fiainan-drelijiozy
Ny fiainan-drelijiozy, teraka tany Atsinanana tamin’ny taonjato voalohandohan’ny fivavahana kristianina [473] ary niainana tao anatin’ireo fikambanana natsangan’ny Fiangonana ara-dalàna [474] , dia miavaka amin’ireo fanokanam-piainana amin’ny endriny hafa araka ny fanompoam-pivavahana, araka …
→
-
926
Ny fiainan-drelijiozy
Ny fiainan-drelijiozy dia miankina amin’ny misterin’ny Fiangonana. Fanomezana noraisin’ny Fiangonana tamin’ny Tompony izany, ary atolony ho toy ny lalam-piainana mafy orina eo amin’ny mpino nantsoin’Andriamanitra amin’ny fanaovana voady araka ny torohevitry ny …
→
-
927
Ny fiainan-drelijiozy
Ny relijiozy rehetra, na afaka amin’ny fandidian’ny mpitondra eo an-toerana na tsy afaka [476] , dia mahazo toerana ho anisan’ny mpiara-miasa amin’ny Eveka mitondra diôsezy amin’ny fiadidiana maha-mpiandry ondry azy [477] . …
→
-
928
Ny fikambanana tsy relijiozy
“Ny fikambanana tsy relijiozy dia fikambanan’ny fanokanam-piainana izay ao ny mpino miaina eo amin’izao tontolo izao no miezaka ho amin’ny fahalavorariam-pitiavana sy mikely aina handray anjara indrindra avy ao anaty amin’ny fanamasinana …
→
-
929
Ny fikambanana tsy relijiozy
Amin’ny alalan’ny “fanokanam-piainana tanteraka sy manontolo amin’[izany] fanamasinana [izany] ” [481] , ny mpikambana amin’ireny fikambanana ireny no mandray anjara amin’ny asam-pitoriana ny Evanjely sahanin’ny Fiangonana, “eo amin’izao tontolo izao sy miainga …
→
-
930
Ny fikambanam-piainana apôstôlika
Eo anilan’ny endrika samihafa ny fanokanam-piainana no “maka toerana ny fikambanam-piainana apôstôlika ka ny mpikambana ao aminy, na tsy manao voadin-drelijiozy aza, dia mikatsaka ny tanjona hotratrarina amin’ny maha-apôstôly sahaza ny fikambanany, …
→
-
931
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Noho izy nanolo-tena amin’Andriamanitra tiana indrindra, ilay izay efa natokan’ny Batemy ho Azy, dia mahatsiaro tena araka izany, ho voatokana lalindalina kokoa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, sy voatolotra ho amin’ny fanasoavana ny Fiangonana. …
→
-
932
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Ao amin’ny Fiangonana izay toy ny sakramenta, izany hoe famantarana sy fitaovan’ny ain’Andriamanitra, ny fanokanam-piainana no miseho ho famantarana manokana ny misterin’ny Fanavotana. Ny manara-dia sy ny maka tahaka an’i Kristy “akaikikaiky …
→
-
933
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Na ampahibemaso io fijoroana ho vavolombelona io, toy ny amin’ny fiainan-drelijiozy, na tsy misehoseho firy, na miafina mihitsy, ny fahatongavan’i Kristy dia mitoetra ho fiandohana sy Kintana fitarik’andron’ny fiainan’ireo manokan-tena rehetra : …
→
-
934
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
“ Avy amin’ny fanorenan’Andriamanitra, dia misy amin’ireo mpino, ao amin’ny Fiangonana, no voatokana ho mpandraharaha masina, izay ara-dalàna ny iantsoana azy koa hoe olom-boahosotra ; ny an’ny hafa dia antsoina hoe lahika …
→
-
935
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Mba hitory ny finoana sy hanorina ny Fanjakany, no nanirahan’i Kristy ny apôstôliny sy ny dimbin’izy ireo. Nomeny anjara amin’ny fanirahana Azy izy ireo. Avy Aminy no andraisan'izy ireo ny fahefana hiasa …
→
-
936
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Ny Tompo no nanao an’i Md Piera ho fanorenana hita maso ny Fiangonany. Nomeny azy tamin’izany ny fanalahidy. Ny Evekan’ny Fiangonan’i Rôma, dimbin’i Md Piera, no “ filohan’ny Fiombonam-piadidian’ireo Eveka, Vikeran’i Kristy …
→
-
937
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Ny Papa, “ araka ny fanorenan’Andriamanitra, no manana ny fahefana fara tampony, feno, eo no eo mivantana ary manerana ny tany tontolo ho amin’ny fiadidiana ny olona ” [491] .
→
-
938
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Ny Eveka rehetra, napetraky ny Fanahy Masina, no mandimby ny apôstôly. Izy ireo “ tsirairay araka ny anjara asany, no fototra hita maso sy fanorenana ny firaisana ao amin’ny Fiangonan’izy ireo eo …
→
-
939
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
Ampian’ny Pretra, mpiara-miasa aminy, sy ny Diakra, ny Eveka dia manana adidy aman’andraikitra hampianatra tsy misy diso ny finoana, hankalaza amin’ny fanompoam-pivavahana, indrindra ny Eokaristia, ary hitondra ny Fiangonany amin’ny tena maha-mpiandry …
→
-
940
Fanokanana sy fanirahana : mitory an’Ilay Mpanjaka ho avy
“ Ny maha-lahika ny lahika manokana, dia ny miaina eo anivon’izao tontolo izao sy ny manao ny raharahan’izao tontolo izao, antsoin’ Andriamanitra izy ireo hanao ny apôstôlàn’izy ireo eo amin’izao tontolo izao …
→