Ny fiainan-drelijiozy

Laharana 925 amin’ny Katesizy

Ny fiainan-drelijiozy,  teraka tany Atsinanana tamin’ny taonjato voalohandohan’ny fivavahana kristianina[473] ary niainana tao anatin’ireo fikambanana natsangan’ny Fiangonana ara-dalàna[474], dia miavaka amin’ireo fanokanam-piainana amin’ny endriny hafa araka ny fanompoam-pivavahana, araka ny fanononana voady ampahibemaso an’ireo torohevitry ny Evanjely, araka ny fiainana maha-mpiray tam-po ara-pinoana mitondra amin’ny fiombonana, araka ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana[475].

Loharano ôfisialy ↗