Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 221 Fitiavana Andriamanitra Mbola lasa lavidavitra kokoa aza i Md Joany tamin’izy nanamarina hoe : “Andriamanitra dia Fitiavana” (1 Jo 4,8.16) : ny Tenan’Izy Andriamanitra rahateo ihany no Fitiavana. Tamin’ny nanirahan’Andriamanitra ny Zanany Lahitokana sy …
  2. 222 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Ny mino an’Andriamanitra Tokana sy ny tia Azy amin’ny maha-Izy Azy manontolo, dia mitera-bokatra tsy hita noanoa ho an’ny fiainantsika manontolo :
  3. 223 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Dia ny mahalala ny halehiben’Andriamanitra sy ny fahamboniany : “Eny, lehibe tokoa Andriamanitra fa mihoatra ny fahalalantsika Izy” (Jôba 36,26). Izany indrindra no tsy maintsy “anompoana voalohany” [43] an’Andriamanitra.
  4. 224 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Dia ny miaina amin’ny fahaiza-misaotra sy mankasitraka : Amin’ny maha- Tokana an’Andriamanitra, dia avy Aminy avokoa izay rehetra maha-isika antsika sy izay rehetra ananantsika : “Inona no anananao ka tsy noraisinao ?” …
  5. 225 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Dia ny mahalala ny firaisan’ny olombelona rehetra sy ny fahamendrehany marina : natao “mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra” (Jen 1,26) izy rehetra.
  6. 226 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Dia ny mampiasa tsara ny zavaboary : ny finoana an’Andriamanitra Tokana no mitondra antsika hampiasa ny zava-drehetra ankoatra Azy, raha toa izany mampanatona antsika Azy, sy mitaona antsika tsy hiraiki-po amin’ izany, …
  7. 227 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Dia ny matoky an’Andriamanitra amin’ny fisehon-javatra rehetra, na dia amin’ny fahoriana sy ny loza aza. Maneho izany amin’ny fomba mampitolagaga ny vavak’i Mb Terezin’i Jesoa hoe : Aoka tsy hisy na inona …
  8. 228 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana “ Mihainoa, ry Israely, ny Tompo Andriamanitrao no Tompo Tokana ... ” (Det 6,4 ; Mk 12,29). “ Tsy maintsy ho tokana Ilay Misy, izany hoe tsy manan-tsahala.(…) Raha tsy tokana Andriamanitra …
  9. 229 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Ny finoana an’Andriamanitra no mitarika antsika hitodika any Aminy irery, ho any amin’Ilay voaloham-piandohantsika sy fara-fiafaràntsika, ary tsy misy tiana kokoa noho Izy na asolo Azy.
  10. 230 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Andriamanitra, tamin’ny nanambaràny ny Tenany, dia mijanona ho mistery tsy hay ambara : “ Raha takatry ny sainao Andriamanitra, dia tsy Andriamanitra Izy ” [48] .
  11. 231 IV. Ny vokatry ny finoana an’Andriamanitra Tokana Ny Andriamanitry ny finoantsika dia manambara ny Tenany ho Ilay izay misy eo ; nampahafantariny fa Izy no “ Ilay manankarena famindram-po sy fahamarinana ” (Eks 34,6). Ny Tenany rahateo Fahamarinana sy …
  12. 232 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Natao batemy “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28,19) ny kristianina. Talohan’izany, novalian’izy ireo hoe “Inoako tokoa” ny fanontaniana intelo izay nangatahana azy ireo hanambara ampahibemaso ny …
  13. 233 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Natao batemy amin’ny “anaran’ ” ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ny kristianina, fa tsy amin’ny “anaran’ ” izy ireo [50] satria tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana, ny Ray …
  14. 234 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Ny misterin’ny Trinite Masina Indrindra no mistery foiben’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Io no misterin’Andriamanitra ao amin’ny Tenany ihany. Io izany no loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana, fahazavana izay …
  15. 235 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Amin’ity paragrafy ity, hovelabelarina amin’ny teny fohy ny hoe : fomba ahoana no nanambaràna ny misterin’ny Trinite Sambatra (I) ? Fomba ahoana no nandrafetan’ny Fiangonana ny rijan-tenin’ny fitambaram-pampianaram-pinoana momba io mistery io …
  16. 236 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Ny Aban’ny Fiangonana, dia manavaka ny hevitry ny teny hoe Theologia sy ny hoe Oikonomia , ka ny teny voalohany dia ilazana ny misterin’ny fiainana lalina iainan’Andriamanitra-Trinite ; ny faharoa no ilazana …
  17. 237 I. “Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” Ny Trinite dia misterin’ny finoana amin’ny dikany ara-bakiteny, iray amin’ ireo “mistery miafina ao amin’Andriamanitra, izay tsy mety ho fantatra raha tsy nambara avy any ambony” [53] . Marina fa namela mariky …
  18. 238 Ny Ray nambaran’ny Zanaka Fantatra amin’ny antokom-pinoana maro ny fiantsoana an’Andriamanitra ho “Ray”. Matetika, heverina ho “rain’ireo andriamanitra sy ny olombelona” ny maha-Andriamanitra. Tany Israely, antsoina hoe Ray Andriamanitra amin’ ny maha-Mpahary an’izao tontolo izao Azy …
  19. 239 Ny Ray nambaran’ny Zanaka Amin’ny fanononanaan’Andriamanitra amin’ny anarana hoe “Ray”, dia ireto toetra roa ireto indrindra no ambaran’ny fiteny ara-pinoana : sady voaloham-piandohan’ny zava-drehetra sy tompom-pahefana ambony tsy taka-polopolorina Andriamanitra, no hatsaram-panahy sy fiahiana ombam-pitiavana amin’ny …
  20. 240 Ny Ray nambaran’ny Zanaka Tamin’ny teny tsy mbola fandre no nanambaràn’i Jesoa fa Andriamanitra dia “Ray” : Tsy izany fotsiny Izy amin’ny maha-Mpahary Azy, fa Ray mandrakizay Izy amin’ny fifandraisany amin’ny Zanany tokana, izay tsy Zanaka …