Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2658
Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra
“Ny fanantenana tsy manodoka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra ” (Rôm 5,5). Ny fivavahana, novolavolain’ny fiainana litorzika dia manovo manontolo ao amin’ny Fitiavana izay itiavana …
→
-
2659
“Anio”
Mianatra mivavaka isika amin’ny fotoana sasany amin’ny fihainoana ny Tenin’ny Tompo sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny misterin’ny Pakany, nefa amin’ny fotoana rehetra kosa, amin’ny zava-miseho isan’andro , no anolorany amintsika ny Fanahiny …
→
-
2660
“Anio”
Ny mivavaka araka ny zava-miseho isan’andro sy isan’ora no anisan’ny iray amin’ireo tsiambaratelon’ny Fanjakan’Andriamanitra ambara amin’ireo “madinika indrindra”, amin’ireo mpanompon’i Kristy, amin’ireo mahantra voalazan’ny hasambarana. Mendrika sy rariny ny mivavaka, mba ny …
→
-
2661
“Anio”
Amin’ny alalan’ny fampitana manan-kery, dia ny Lovam-pampianarana izany, no ampianaran’ny Fanahy Masina ny zanak’Andriamanitra hivavaka, ao amin’ny Fiangonana.
→
-
2662
“Anio”
Ny Tenin’Andriamanitra, ny litorzian’ny Fiangonana, ny hasin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, no loharanom-bavaka.
→
-
2663
Ny lalan’ny fivavahana
Ao amin’ny lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana, ny Fiangonana tsirairay dia samy manome hevitra ny mpinony, araka ny tontolom-piainana eo amin’ny tantara, fiaraha-monina ary kolontsaina, ny fombam-panehoana ny vavak’izy ireo : fiteny, …
→
-
2664
Ny fivavahana amin’ny Ray
Tsy misy lalan-kafan’ny fivavahana kristianina afa-tsy i Kristy. Izay fivavahantsika na iombonana na an’ny tsirairay, na atao am-bava na atao am-po, dia tsy ho tonga any amin’ny Ray raha tsy mivavaka “amin’ny …
→
-
2665
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Ny vavaky ny Fiangonana, velomin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fankalazana amin’ny litorzia, no mampianatra antsika hivavaka amin’i Jesoa Tompo. Na dia avantana indrindra any amin’ny Ray azy izany, ao amin’ny lovam-pampianarana litorzika rehetra, …
→
-
2666
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Fa ny Anarana izay mahafaoka azy rehetra dia ilay izay noraisin’ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny Fahatongavany ho nofo hoe : JESOA. Tsy hain’ny vavan’olombelona tononina ny Anaran’Andriamanitra [11] , nefa amin’ ny fizakan’ny Tenin’Andriamanitra …
→
-
2667
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Izany fitalahoam-pinoana tena tsotra izany no velabelarin’ny lovam-pampianaran’ny fivavahana amin’ny endrika maro tany Atsinanana sy tany Andrefana. Ny fitenenana mahazatra indrindra, nampitain’ny mpampianatra ara-panahy tany Sinaia, tany Siria ary tany Athos, dia …
→
-
2668
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Ny fiantsoana ny anara-masin’i Jesoa no lalana tsotra indrindra amin’ny vavaka tsy an-kijanona. Noho izy averimberin’ny fo mahatandrina amim-panetren-tena matetika, dia tsy miparitaka amin’ny hamaroan’ny teny (Mt 6,7) izy, fa “mitana ny …
→
-
2669
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Ny vavaky ny Fiangonana dia manaja sy manome voninahitra ny Fon’i Jesoa , tahaka ny iantsoany ny Anarany masina indrindra. Ny vavaky ny Fiangonana dia mitsaoka ny Teny tonga nofo sy ny …
→
-
2670
“Avia, ry Fanahy Masina”
“Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy tarihin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). Isaky ny manomboka mivavaka amin’i Jesoa isika, dia ny Fanahy Masina no mitari-dalana antsika ho amin’ny …
→
-
2671
“Avia, ry Fanahy Masina”
Ny fomba fanao araka ny lovantsofina amin’ny fangatahana ny Fanahy, dia ny mitalaho amin’ny Ray amin’ny alalan’i Kristy Tompontsika mba hanomezany antsika ny Fanahy Mpanafaka alahelo [17] . Nanantitrantitra ny momba izany …
→
-
2672
“Avia, ry Fanahy Masina”
Ny Fanahy Masina, izay fanosorana mamonto ny maha-olona antsika manontolo, no Mpampianatra ao anaty amin’ny fivavahana kristianina. Izy no tompon’antoky ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana. Marina fa samy maro ny fandrosoana …
→
-
2673
Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra
Amin’ny vavaka, ny Fanahy Masina no mampiray antsika amin’ny Tenan’ ny Zanaka Lahitokana, amin’ny maha-Olombelona nomem-boninahitra Azy. Amin’ny alalan’io Tenany io sy ao Aminy ny fivavahana amin’ny maha-zanaka antsika no miombona ao …
→
-
2674
Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra
Ny maha-Reny an’i Maria, izay nanomboka tamin’ny fanekena amim-pinoana, ny andron’ny “Filazana”, ary voatanany tsy nisy fisalasalana hatreo am-pototry ny Hazofijaliana, dia miitatra tsy miato amin’ny rahalahy sy anabavin’ny Zanany “mbola ety …
→
-
2675
Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra
Miainga avy amin’izany fiaraha-miasa manokana eo amin’i Maria sy ny asan’ny Fanahy Masina izany no nampiroboroboan’ireo Fiangonana ny fangatahana atao amin’ny Reny masin’Andriamanitra, amin’ny fampifantohana izany amin’ny Tenan’i Kristy naseho miharihary tao …
→
-
2676
Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra
Ao amin’ny vavaka hoe “Arahaba, ry Maria”, no ahitana amin’io fihetsika anankiroa amin’ny fangatahana amin’i Maria io ny fomba fiteny maneho tombon-tsoa manokana : “ Arahaba ry Maria (Mifalia ianao, ry Maria). …
→
-
2677
Miombona amin’ny Reny masin’Andriamanitra
“ Masina Maria, Renin’Andriamanitra, mivavaha ho anay ... ” Miaraka amin’i Elizabeta isika no mitolagaga hoe :”Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho ?” (Lk 1,43). Sady Renin’Andriamanitra no …
→