Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2558 Ny fivavahana eo amin’ny fiainana kristianina “Lehibe ny misterin’ny finoana”. Ambaran’ny Fiangonana ao amin’ny Sembolin’ny apôstôly izany ( fizarana voalohany ) ary ankalazainy amin’ny litorzian’ny sakramenta ( fizarana faharoa ), mba hifanaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanahy Masina, …
  2. 2559 Fanomezan’Andriamanitra ny fivavahana “Ny fivavahana dia fanandratana ny fanahy ho amin’Andriamanitra na fangatahana amin’Andriamanitra ny soa sy ny tsara sahaza” [2] . Avy amin’ny inona no itenenantsika rahefa mivavaka ? Avy amin’ny haavon’ny fiavonavonantsika sy …
  3. 2560 Fanomezan’Andriamanitra ny fivavahana “Raha mba fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra!” (Jo 4,10). Teo indrindra no niseho ny zava-mahagaga amin’ny fivavahana, teo amoron’ny fantsakana izay hahatongavantsika mba hitady ny ranontsika : eo i Kristy no mihaona amin’ny olombelona …
  4. 2561 Fanomezan’Andriamanitra ny fivavahana “Ianao indray aza no ho nangataka izany Taminy, ka homeny rano velona” (Jo 4,10). Valy ara-kevi-manohitra ny vavaka fangatahana ataontsika. Valy amin’ny fitarainan’Andriamanitra velona hoe : “Nafoin’izy ireo Aho, Izaho Loharanon’ny rano …
  5. 2562 Fifanekem-pihavanana ny fivavahana Avy aiza ny vavaky ny olombelona ? Na inona na inona fomba filaza ny vavaka (fihetsika sy teny), ny olona manontolo no mivavaka. Kanefa mba hanondroana ny toerana izay ipoiran’ny vavaka, ny …
  6. 2563 Fifanekem-pihavanana ny fivavahana Ny fo no fonenana izay misy ahy, izay onenako (araka ny fomba fiteny semitika na ara-baiboly : any amin’izay “idinako”). Izy no ivontsika miafina, tsy takatry ny saintsika na ny hafa ; …
  7. 2564 Fifanekem-pihavanana ny fivavahana Fifandraisam-pifanekena eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona ao amin’i Kristy ny fivavahana kristianina. Sady asan’Andriamanitra no asan’ olombelona izany ; avy amin’ny Fanahy Masina sy avy amintsika no ipoirany, mankany amin’ny Ray avokoa, …
  8. 2565 Fiombonana ny fivavahana Amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ny fivavahana no fifandraisana velon’ny zanak’Andriamanitra amin’ny Rain’izy ireo tsara tsy manam-petra, amin’i Jesoa-Kristy Zanany ary amin’ny Fanahy Masina. Ny fahasoavan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia “ny firaisan’ny Trinite Masina manontolo amin’ …
  9. 2566 Ny fanambaràna ny fivavahana Ny antso ho an’ny daholobe ho amin’ny fivavahana Eo am-pitadiavana an’Andriamanitra ny olombelona . Tamin’ny fahariana no niantsoan’Andriamanitra ny zavatra rehetra avy amin’ny tsy misy ho amin’ny fisiana. Ny olombelona, manarakaraka ny anjely, noho izy nosatrohana voninahitra sy famirapiratana [12] …
  10. 2567 Ny fanambaràna ny fivavahana Ny antso ho an’ny daholobe ho amin’ny fivavahana Andriamanitra no miantso voalohany ny olombelona . Ka na manadino ny Mpahary azy aza ny olombelona, na miafina lavitra ny Tavany, ary na manaraka ny sampiny aza ny olombelona, na miampanga an’Andriamanitra …
  11. 2568 Ao amin’ny Testamenta Taloha Ny fanambaràna ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha dia voasoratra eo anelanelan’ny fahalavoan’ny olombelona sy ny fanarenana azy, eo anelanelan’ny antson’alahelon’Andriamanitra tamin’ireo voalohan-janany hoe : “Aiza ianao ? (...) Inona no nataonao …
  12. 2569 Ny fahariana – loharanon’ny fivavahana Voalohany indrindra, miainga avy amin’ny zava-misy momba ny fahariana no isehoan’ny fivavahana. Ny toko sivy voalohany amin’ny Jenezy no mamelabelatra izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany, toy ilay fanoloran’i Abela ny voalohan-teraky ny andian’ondry …
  13. 2570 Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana Raha vao nantsoin’Andriamanitra i Abrahama, dia niainga izy, “araka ny tenin’ny Tompo taminy” (Jen 12,4) : “nankatoaviny tanteraka tamin’ny fony ny Tenin’Andriamanitra”, ka nanaiky izy. Ny fihainoan’ny fo izay manapa-kevitra araka an’Andriamanitra …
  14. 2571 Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana Tamin’ny finoany an’Andriamanitra [22] sy ny fandehanany teo anatrehany ary ny fanekem-pihavanana Taminy [23] , no nandraisan’ny patriarka tao an-tranolainy an’ilay Vahininy saro-pantarina : ilay fandraisana vahiny tao "Mambré" tamin’ny fomba mampitolagaga …
  15. 2572 Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana Ho fandiovana farany ny finoany, nangatahina izy “ilay nametrahana ny teny fampanantenana” (Heb 11,17) hanao sorona ny zanany izay nomen’ Andriamanitra azy. Tsy nalemy ny finoany : “Andriamanitra no hanao izay hahitana …
  16. 2573 Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana Navaozin’Andriamanitra tamin’i Jakôba, ilay razamben’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely ny fampanantenany [28] . Talohan’ny niatrehany an’i Esao rahalahiny i Jakôba dia nitolona nandritra ny alina manontolo tamin’ny “olona iray” saro-pantarina, izay …
  17. 2574 I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana Nony nanomboka ho tanteraka ny fampanantenana (ny Paka, ny Eksaody, ny fanomezana ny Lalàna ary ny fandraiketana ny fanekem-pihavanana), dia ny fivavahan’i Môizy no endrika manaitra ny fo amin’ny fivavahana fanelanelanana izay …
  18. 2575 I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana Fa eto koa, Andriamanitra no tonga voalohany. Niantso an’i Môizy Izy, teo afovoan’ny Kirihitra nirehitra [30] . Io fisehoan-javatra io dia haharitra ho iray amin’ireo endrika fototry ny fivavahana ao amin’ny lovam-panahy …
  19. 2576 I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana Ary, “niresaka mifanatrika tamin’i Môizy Andriamanitra, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany” (Eks 33,11). Ny fivavahan’i Môizy no endrika manokana amin’ny vavaka fibanjinana, izay fivavahana ahazoana antoka ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny iraka …
  20. 2577 I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana Tamin’io fisakaizana lalina amin’Andriamanitra tsy mivadika, tsy malaky tezitra ary feno fitiavana io [31] i Môizy no nanovo hery sy filofosana amin’ny fanelanelanany. Tsy nivavaka ho an’ny tenany izy, fa ho an’ny …