Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana

Laharana 2571 amin’ny Katesizy

Tamin’ny finoany an’Andriamanitra[22] sy ny fandehanany teo anatrehany ary ny fanekem-pihavanana Taminy[23], no nandraisan’ny patriarka tao an-tranolainy an’ilay Vahininy saro-pantarina : ilay fandraisana vahiny tao "Mambré" tamin’ny fomba mampitolagaga izany, anambaràna mialoha ny Filazana momba ilay tena Zanaky ny Fampanantenana[24]. Hatramin’io fotoana io, noho Andriamanitra nanankina taminy ny fandaharany, dia nifanaraka tamin’ny fangorahan’ny Tompony ny olombelona, ny fon’i Abrahama, ary sahy nitalaho ho azy ireo tamim-pitokiana feno herim-po izy[25].

Loharano ôfisialy ↗