Ny fahariana – loharanon’ny fivavahana

Laharana 2569 amin’ny Katesizy

Voalohany indrindra, miainga avy amin’ny zava-misy momba ny fahariana no isehoan’ny fivavahana. Ny toko sivy voalohany amin’ny Jenezy no mamelabelatra izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany, toy ilay fanoloran’i Abela ny voalohan-teraky ny andian’ondry[16], toy ilay fitalahoan’i Enôsy ny anaran’Andriamanitra[17], toy ilay fizorana niaraka tamin’ Andriamanitra[18]. Ny fanatitr’i Nöe dia “nahafinaritra” an’ Andriamanitra izay nitsodrano azy, sy nitsodrano ny voary manontolo tamin’ny alalany[19], satria mahitsy sy marina ny fony : izy koa “nizotra niaraka tamin’Andriamanitra” (Jen 6,9). Niainan’ny olo-marina tsy tambo isaina teo amin’ny antokom-pinoana rehetra izany toetran’ny fivavahana izany.

Andriamanitra, amin’ny fanekem-pihavanana tsy mety levona nataony tamin’ny zavamananaina rehetra, dia miantso lalandava ny olombelona hivavaka Aminy[20]. Kanefa, nanomboka indrindra tamin’i Abrahama raintsika no nihariharian’ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha.

Loharano ôfisialy ↗