Fanomezan’Andriamanitra ny fivavahana

Laharana 2560 amin’ny Katesizy

“Raha mba fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra!” (Jo 4,10). Teo indrindra no niseho ny zava-mahagaga amin’ny fivavahana, teo amoron’ny fantsakana izay hahatongavantsika mba hitady ny ranontsika : eo i Kristy no mihaona amin’ny olombelona rehetra, Izy no voalohany mitady antsika ary Izy no mangataka rano hosotroina. Mangetaheta i Jesoa, avy amin’ny halalim-pitiavan’Andriamanitra izay maniry antsika ny fangatahany[5]. Ny fivavahana, na fantatsika izany na tsia, no fihaonan’ny hetahetan’ Andriamanitra sy ny antsika. Ny hananantsika hetaheta Azy no hetahetan’ Andriamanitra[6].

Loharano ôfisialy ↗