Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1811 Ny herim-panahy sy ny fahasoavana Tsy mora ho an’ny olona voaratran’ny fahotana ny mitana ny filaminan-tsaina. Ny fanomezam-pamonjena avy amin’i Kristy no manome antsika ny fahasoavana ilaina mba hitozoana amin’ny fikatsahana ny herim-panahy. Tokony hangataka lalandava izany …
  2. 1812 II. Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra Ireo herim-panahy maha-olombelona dia miorim-paka ao amin’ireo herim-panahy avy amin’Andriamanitra izay mampifanaraka ny fahaizan’ olombelona mahataka-javatra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra [5] . Satria ireo herim-panahy avy amin’ Andriamanitra dia miankina …
  3. 1813 II. Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra Ireo herim-panahy avy amin’Andriamanitra dia manorina, mandrisika ary mamaritra mazava ny asa amam-pihetsika ara-môraly kristianina. Ireo no mampahalala sy mamelombelon’aina ny herim-panahy rehetra enti-mitondra tena. Ireo no ampitain’Andriamanitra ao amin’ny fanahin’ireo mpino …
  4. 1814 Ny finoana Ny finoana dia herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay inoantsika an’ Andriamanitra sy izay rehetra nolazainy sy nambarany tamintsika, ary atolotry ny Fiangonana Masina antsika mba hinoana, satria Izy Andriamanitra ihany no fahamarinana. Amin’ny …
  5. 1815 Ny finoana Mitoetra ao amin’izay tsy manota amin’ny finoana ny fanomezam-pinoana [8] . Kanefa “maty ny finoana tsy arahin’asa” (Jak 2,26) : ny finoana tsy miaraka amin’ny fanantenana sy ny fitiavana, dia tsy mampiray …
  6. 1816 Ny finoana Tsy ny mitana ny finoana sy ny miaina izany ihany no tokony hataon’ny mpianatr’i Kristy, fa koa ny manambara izany ampahibemaso, ny mirotsaka ho vavolombelon’izany amin-toky, ary ny mampiely izany : “Tsy …
  7. 1817 Ny fanantenana Herim-panahy avy amin’Andriamanitra ny fanantenana, izay aniriantsika ny Fanjakan’ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay ho hasambarantsika, ka hametrahantsika fitokiana ny fampanantenan’i Kristy sy fiankinana amin’ ny fanampian’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, fa tsy …
  8. 1818 Ny fanantenana Ny herim-panahy fanantenana no mamaly ny faniriam-pahasambarana napetrak’Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona rehetra ; izy no mizaka ireo fanantenana izay mampafana fo amin’ireo asa mbamin’ny fihetsiketsehana rehetra ataon’ny olombelona ; izy no mandio …
  9. 1819 Ny fanantenana Ny fanantenana kristianina no mandray sy manatanteraka ny fanantenan’ ny vahoaka voafidy, izay ny fiandohany sy ny môdeliny dia ny fanantenan’i Abrahama ampoky ny fampanantenan’Andriamanitra tao amin’i Isaaka sy voadion’ilay fitsapan-toetra tamin’ny …
  10. 1820 Ny fanantenana Ny fanantenana kristianina dia mivelatra hatrany am-panombohan’ny toritenin’i Jesoa tamin’ny fanambaràna an’ireo hasambarana. Ireo Hasambarana ireo no manondrotra ny fanantenantsika mankany an-Danitra toy ny mankany amin’ny Tany vaovao nampanantenaina ; ireo no …
  11. 1821 Ny fanantenana Noho izany, afaka manantena ny voninahitry ny lanitra nampanantenain’ Andriamanitra an’ireo izay tia Azy [11] sy nanao ny sitrapony [12] isika. Amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny tsirairay no tokony hanantena izany, ombàn’ny fahasoavan’Andriamanitra, …
  12. 1822 Ny fitiavana Ny fitiavana dia herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay itiavantsika an’Andriamanitra ambonin’ny zavatra rehetra amin’ny maha-Izy Azy, ary itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika ihany mba ho fitiavana an’ Andriamanitra.
  13. 1823 Ny fitiavana Nataon’i Jesoa ho didy vaovao ny fitiavana [15] . Tamin’ny nitiavany ny azy “hatramin’ny farany” (Jo 13,1), no naneho ny fitiavan’ny Ray izay noraisiny Izy. Amin’ny fifankatiavan’ireo samy mpianatra no akan’izy ireo …
  14. 1824 Ny fitiavana Ny fitiavana, noho izy vokatry ny Fanahy sy fahatanterahan’ny Lalàna, no itandremana ny didin ’Andriamanitra sy ny an’i Kristy: “Mitomoera ao amin’ ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra …
  15. 1825 Ny fitiavana Maty noho ny fitiavana antsika i Kristy, na dia mbola “fahavalo” (Rôm 5,10) aza isika. Mangataka antsika ny Tompo ho tia ny fahavalontsika [17] , tahaka ny nataony, hanao ho namana na …
  16. 1826 Ny fitiavana “Raha tsy manana ny fitiavana aho, hoy ihany i Md Paoly apôstôly, dia tsinontsinona aho…” Ary na inona na inona fahamboniana, fanompoana, na hatsaram-panahy aza… “raha tsy manana ny fitiavana, dia tsy …
  17. 1827 Ny fitiavana Ny fitiavana no manentana sy mampafana fo amin’ny fampiasana ny herim-panahy rehetra. Izy no fehin’ny “hatsaram-panahy rehetra” (Kôl 3,14); izy no manendrika ny herim-panahy rehetra ; izy no mampifandray azy ireny sy …
  18. 1828 Ny fitiavana Ny fampiharana ny fiainana ara-môraly entanin’ny fitiavana no manome ho an’ny kristianina ny fahafahana ara-panahin’ny zanak’Andriamanitra. Eo anoloan’Andriamanitra, tsy mijanona intsony ho andevo izy, ao anatin’ny tahotry ny mpanompo, na ho mpikarama …
  19. 1829 Ny fitiavana Hafaliana, fiadanana ary famindram-po no vokatry ny fitiavana ; mitaky fanasoavana sy fanitsiana ny hadisoan’ny mpiray tam-po ara-pinoana izy; fahalemem-panahy izy ; mahatonga fitia mifamaly izy, maharitra ho tsy miangatra sy malala-tsaina …
  20. 1830 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny fiainana ara-môraly kristianina dia tohanan’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina. Ireo no toe-panahy maharitra izay mahatonga ny olona ho mora manaiky hanaraka ny tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina.