III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina
Laharana 1830 amin’ny Katesizy
Ny fiainana ara-môraly kristianina dia tohanan’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina. Ireo no toe-panahy maharitra izay mahatonga ny olona ho mora manaiky hanaraka ny tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina.