Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1771 II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly .Manambara ny firaiketam-pitia na ny fihetseham-po ny teny hoe “ firehetam-po ” . Amin’ireny fiontanam-pony ireny ny olona no mahatsinjo mialoha ny tsara sy manahy sahady koa ny ratsy.
  2. 1772 II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly Ireto no firehetam-po lehibe indrindra : ny fitiavana sy ny fankahalana, ny faniriana sy ny fahatahorana, ny hafaliana, ny alahelo ary ny fahatezerana.
  3. 1773 II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly .Amin’ireo firehetam-po, toy ireo fihetsi-pahatohinana, dia tsy misy hoe tsara na ratsy ara-môraly. Kanefa arakaraka ny iankinan’ireny na tsia amin’ny saina sy ny sitrapo no maha-tsara azy na maha-ratsy azy ara-môraly.
  4. 1774 II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly Ny fiontanam-po sy ny fihetseham-po dia mety ho zakaina amin’ny hatsaram-panahy na mety ho simbàna amin’ny haratsiam-panahy.
  5. 1775 II. Firehetam-po sy fiainana ara-môraly .Ny fahalavorarian’ny tsara ara-môraly, dia ny mandrisika ny olona ho amin’ny tsara tsy avy amin’ny finiavany ihany, fa avy amin’ny “ fony ” koa.
  6. 1776 Ny kônsiansy môraly “Tsapan’ny olombelona ao amin’ny kônsiansiny lalina ao ny fisiana lalàna iray izay tsy avy amin’ny tenany, nefa manery azy hanaiky izany. Io feo io izay tsy mitsahatra ny manery azy ho tia …
  7. 1777 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Ny kônsiansy môraly izay voasoratra ao am-pon’ny olona [66] , no mandidy azy hanatanteraka ny tsara sy handositra ny ratsy, amin’ny fotoana sahaza izany. Izy koa no mitsara ny safidy azo tsapain-tanana, …
  8. 1778 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Ny kônsiansy môraly dia fitsaràn’ny saina izay ahalalan’ny olombelona ny toetra ara-môraly amin’ny asa iray azo tsapain-tanana izay hapetrany, ka mbola eo am-panatanterahana izany na efa notanterahina. Ny olona, amin’izay rehetra lazainy …
  9. 1779 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Zava-dehibe ilaina amin’ny tsirairay ny ampy fahatsiarovan-tena mba hihaino sy hanaraka ny feon’ny kônsiansiny. Izany fangatahana hahatsapa ao anaty izany dia ilaina tokoa noho ny fiainana, izay matetika mitarika antsika tsy hisaintsaina, …
  10. 1780 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Milaza tsy mivantana sy mitaky ny fahitsian’ny kônsiansy môraly ny fahamendrehan’ny olombelona. Ny kônsiansy môraly no mampahazo an-tsaina ny fototry ny toetram-pitondran-tena (fahalalam-pitsipika voa-Janahary), ny fampiharana azy ireny amin’ny fisehoan-javatra avy amin’ny …
  11. 1781 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Ny kônsiansy no ahafahana miantsoroka ny andraikitra amin’ny asa nankinina. Raha manao ratsy ny olona, ny marina amin’ny fitsaràn’ny kônsiansiny kosa dia mety haharitra ao aminy ho vavolombelon’ny marina mahahenika ny tontolon’ny …
  12. 1782 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Manana zo handeha araka ny kônsiansy sy an-kalalahana ny olona mba hahafahan’ny tenany mandray fanapahan-kevitra ara-môraly. “Tsy azo terena hanao asa amam-pihetsika mifanohitra amin’ny kônsiansiny ny olona. Kanefa tsy azo sakanana tsy …
  13. 1783 II. Ny fanabeazana ny kônsiansy Mila ampahafantarina ny kônsiansy ary mila azavaina ny fitsaràna ara-môraly. Mahitsy sady marina ny kônsiansy nobeazina tsara. Lazainy mazava tsara araka ny fahamarinana ny fitsaràny, sy araka ny soa tena izy takìn’ny …
  14. 1784 II. Ny fanabeazana ny kônsiansy Lahasa mandritra ny fiainana manontolo ny fanabeazana ny kônsiansy. Manomboka amin’ireo taona voalohandohany iainan’ny zaza, io fanabeazana io no ampahiratana ny sainy amin’ny fahalalana sy amin’ny fanatanterahana ny lalàna anaty eken’ny kônsiansy …
  15. 1785 II. Ny fanabeazana ny kônsiansy Ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana mitsilo ny diantsika, amin’ny fanabeazana ny kônsiansy ; ilaintsika ny mitsakotsako azy amin’ny finoana sy amin’ny fivavahana, sy ny mampihatra azy amin’ny fiainana. Mbola ilaintsika koa ny mandinika …
  16. 1786 III. Misafidy araka ny kônsiansy Ny kônsiansy, eo anatrehan’ny safidy ara-môraly, dia mety hanao fitsaràna mahitsy mifanaraka amin’ny saina sy amin’ny lalànan’ Andriamanitra, na mety koa hanao fitsaràna diso ka tsy mifanaraka amin’ izany.
  17. 1787 III. Misafidy araka ny kônsiansy Indraindray ny olona, mifanandrina amin’ny toe-javatra izay mahatonga ny fitsaràna ara-môraly ho tsy azo antoka loatra sy ny fanapahan-kevitra ho sarotra. Kanefa tsy maintsy mikaroka izay marina sy tsara izy, sy mandanjalanja …
  18. 1788 III. Misafidy araka ny kônsiansy Araka izany, miezaka ny olombelona hanazava ny dikan’ireo hevitra avy amin’ny fandinihana azo tamim-pahazarana sy ireo fambara miseho ankehitriny noho ny herin’ny fahamalinana, noho ny torohevitry ny olona kinga saina ary noho …
  19. 1789 III. Misafidy araka ny kônsiansy Fitsipika vitsivitsy sahaza ny sehon-javatra rehetra : - Tsy azo atao na oviana na oviana ny manao ny ratsy mba hahazoan-tsoa. - Ny “fitsipika volamena” : “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, …
  20. 1790 IV. Ny fitsaràna diso Tokony hanaiky lalandava ny fitsaràna marina tsy misy mampisalasala ny kônsiansiny ny olombelona. Raha tamin’ny nahim-po no nanoherany ny kônsiansy, dia manameloka ny tenany ihany ny olombelona. Kanefa mety ho azon’ny tsy …