I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy
Laharana 1782 amin’ny Katesizy
Manana zo handeha araka ny kônsiansy sy an-kalalahana ny olona mba hahafahan’ny tenany mandray fanapahan-kevitra ara-môraly. “Tsy azo terena hanao asa amam-pihetsika mifanohitra amin’ny kônsiansiny ny olona. Kanefa tsy azo sakanana tsy hanao asa amam-pihetsika araka ny kônsiansiny koa izy, indrindra ny amin’ny fivavahana”[70].