II. Ny fanabeazana ny kônsiansy
Laharana 1785 amin’ny Katesizy
Ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana mitsilo ny diantsika, amin’ny fanabeazana ny kônsiansy ; ilaintsika ny mitsakotsako azy amin’ny finoana sy amin’ny fivavahana, sy ny mampihatra azy amin’ny fiainana. Mbola ilaintsika koa ny mandinika ny kônsiansintsika araka ny Hazofijalian’ny Tompo. Amin’izany, ny fanomezan’ny Fanahy Masina no mankahery antsika, ny fijoroan’ny hafa ho vavolombelona na ny torohevitra avy aminy no manampy antsika, ary ny fampianarana nahazo lalana tamin’ny Fiangonana no mitantana antsika[71].