Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2491 IV. Ny fanajana ny marina Ny tsiambaratelon’asa – ohatra : izay tazonin’ny mpitondra fanjakana, tazonin’ny miaramila, ny mpitsabo, ny mpitsara – na ny filazan-javatra amin’ny olona, nefa zavatra notanana ho tsiambaratelo, dia tsy maintsy harovana, afa-tsy amin’ny …
  2. 2492 IV. Ny fanajana ny marina Adidin’ny tsirairay ny mitana ny tsiambaratelo marina momba ny fiainan’ ny olona manokana. Adidin’ny mpiandraikitra ny fampitam-baovao ny mandrindra sy mandanjalanja ara-drariny an’izany, eo amin’ny takìn’ny soa iombonana sy ny fanajana ny …
  3. 2493 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona Ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona, eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny androm-piainana ankehitriny, dia manana anjara toerana lehibe dia lehibe amin’ny fampahalalam-baovao, amin’ny fampandrosoana ara-kolontsaina ary ny fampianarana amam-panabeazana. Mihalehibe io anjara toerana io, noho ny …
  4. 2494 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona Ho an’ny soa iombonana no ampiasana ny fampahalalam-baovao amin’ny fitaovam-pifandraisana [94] . Zon’ny mpiara-belona ny hahazo vaovao miorina amin’ny fahamarinana, ny fahafahana, ny rariny sy ny hitsiny, ary ny firaisan-kina amam-piombonana : …
  5. 2495 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona “Ilaina raha ny tsirairay rehetra eo amin’ny fiaraha-monina no manatanteraka ao anatin’io sehatra io koa, ny adidin’izy ireo amin’ny rariny sy ny fahamarinana. Hampiasa ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona izy ireo, mba hiara-miasa amin’ny …
  6. 2496 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona Ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona (singanina manokana ny fitaovam-pampitam-baovao ho an’ny daholobe) dia mety hiteraka fanarahana am-bokony ihany ao amin’ireo mpampiasa, ka hahatonga azy ireo tsy ho malina amin’ny hafatra ampitaina aminy na amin’ny …
  7. 2497 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona Noho ny asa fanaovana gazety, dia manana adidy amin’izany ireo mpanao gazety, amin’ny fampielezana ny vaovao, hanome ny marina sy tsy hanafintohina ny fitiavana. Hiezaka izy ireo hanaja, amin’ny fiahiana mitovy, ny …
  8. 2498 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona “Manana adidy manokana ny mpitondra firenena hitsimbina ny soa iombonana. Adidin’ny fanjakana ny miaro sy miahy ny fahafahana tena izy sy ara-drariny amin’ny fampahalalam-baovao” [97] . Amin’ny famoahana lalàna sy amin’ny fitandremana …
  9. 2499 V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona Ny môraly no mamoaka ireo loza afitsoky ny firenena mpanao bodo ngerona, izay manao hosoka ny fahamarinana amim-pomba voarindra, mampiasa ny jadona pôlitika ara-panehoan-kevitra amin’ny alalan’ny fitaovana fampitam-baovao, “manamboamboatra” ny voampanga sy …
  10. 2500 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Tsy misaraka amin’ny fahafinaretan’ny fanahy azo maimaim-poana sy ny hatsara ara-môraly, ny fanaovana ny tsara. Toy izany koa, misy hafaliana amin’ny hatsaran’ny fanahy sy ny famirapiratany, ny fahamarinana. Tsara amin’ny maha-fahamarinana azy …
  11. 2501 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny olombelona, noho izy noarìna mitovy endrika amin’Andriamanitra [99] , dia maneho koa ny fahamarinan’ny fifandraisany amin’Andriamanitra Mpahary, amin’ny alalan’ny hatsaran’ny tsanganasan-tanany. Satria, ny haikanto dia endri-panehoana manokana an’ny olombelona ; ao …
  12. 2502 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny zavakanto masina dia marina sy tsara, rahefa mifanahaka amin’ny fiantsoana azy manokana ny famoronana azy, dia ny mampahatsiahy sy ny mampiseho ny voninahitra, amin’ny finoana sy ny fitsaohana, ny mistery tsy …
  13. 2503 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Noho izany, ny Eveka, amin’ny alalan’ny tenan’izy ireo ihany na amin’ny alalan’ny fisoloan-toerana, dia tokony hanao izay hampandroso ny zavakanto masina, tranainy na vaovao, amin’ny endriny rehetra, ary manesotra izay rehetra tsy …
  14. 2504 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina “ Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao ” (Eks 20,16). Ny mpianatr’i Kristy dia “ mitafy ny olom-baovao noarìna araka an’Andriamanitra ao anatin’ny rariny sy ny hitsiny mbamin’ny fahamasinana izay …
  15. 2505 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny hoe fahamarinana na firaiketana amin’ny marina dia herim-panahy izay mampiseho fa marina amin’ny asany izy sy milaza fa marina amin’ny teniny, amin’ny fiarovan-tena tsy hamitaka, tsy hisandoka ary tsy hihatsaravelatsihy.
  16. 2506 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina “ Tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo ” (2 Tim 1,8) amin’ny asa sy amin’ny teny, ny kristianina. Ny maty martiry no fara tampon’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana.
  17. 2507 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny fanajana ny laza amam-boninahitr’olona dia mandrara ny fihetsika rehetra atao na ny fiteny rehetra manaratsy na manendrikendrika.
  18. 2508 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny hoe lainga dia filazana zavatra tsy marina kendrena hamitahana ny namana.
  19. 2509 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Mitaky fanonerana, ny fahadisoana natao manohitra ny marina.
  20. 2510 VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina Ny fitsipika volamena no manampy amin’ny fahaiza-mandanjalanja, eo amin’ny fisehoana toe-javatra lehibe, na mety na tsia ny manambara ny marina amin’izay mangataka izany.