V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona

Laharana 2494 amin’ny Katesizy

Ho an’ny soa iombonana no ampiasana ny fampahalalam-baovao amin’ny fitaovam-pifandraisana[94]. Zon’ny mpiara-belona ny hahazo vaovao miorina amin’ny fahamarinana, ny fahafahana, ny rariny sy ny hitsiny, ary ny firaisan-kina amam-piombonana :

Ny fampiasana tsara an’io zo io dia mitaky ny fampitam-baovao, ka raha ny amin’ilay vaovao, dia mba ho marina azo antoka lalandava sy feno izany, ao anatin’ny fanajana ny takìn’ny fahamarinana sy ny fitiavana ; ary raha ny amin’ny fomba fampitàna, dia mba ho mendrika sy mifanentana amin’ilay vaovao, izany hoe amin’ny fahazoana sy ny fampielezana ny vaovao, dia tokony hotandremana tanteraka amin’ny fampitam-baovao, ny lalàna môraly, ny zo ary ny fahamendrehan’ny olombelona[95].

Loharano ôfisialy ↗