V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona
Laharana 2495 amin’ny Katesizy
“Ilaina raha ny tsirairay rehetra eo amin’ny fiaraha-monina no manatanteraka ao anatin’io sehatra io koa, ny adidin’izy ireo amin’ny rariny sy ny fahamarinana. Hampiasa ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona izy ireo, mba hiara-miasa amin’ny famolavolana sy ny fampielezana ny hevitra mahasoa avy amin’ny olona maro”[96]. Ny firaisan-kina amam-piombonana dia hita fa vokatry ny fampitam-baovao marina sy mahitsy, sy ny fifamoivoizana malalaka ara-kevitra, izay mampandroso ny fahalalana sy ny fanajana ny hafa.