Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2271 Ny fanalan-jaza Nantitranterin’ny Fiangonana, nanomboka tamin’ny taonjato voalohany, ny maha-ratsy ara-môraly ny fanalan-jaza rehetra iniana atao. Tsy azo soloina ary tsy miovaova izany fampianarana izany. Ny fanalan-jaza mivantana, izany hoe iniana atao ho tanjona …
  2. 2272 Ny fanalan-jaza Fahotana lehibe ny fiarahana manala zaza amin’ny fomba mazava. Ny fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana no sazy araka ny lalàna famaizana ampiharin’ny Fiangonana amin’io fandikan-dalàna manohitra ny ain’olombelona io. “Izay mahatonga …
  3. 2273 Ny fanalan-jaza Anisan’ny singafototra mamorona ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena sy ny fehezan-dalànany , ny zo ho velona izay tsy azo foanana amin’ny olona rehetra tsirairay tsy manan-tsiny : “Tsy maintsy hankatoavina sy hajain’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena …
  4. 2274 Ny fanalan-jaza Noho ny “embryon” tsy maintsy karakaraina toy ny olona, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka, dia tsy maintsy arovana amin’ny maha-izy azy manontolo, tsaboina sy sitranina, araka izay azo atao, toy ny olona …
  5. 2275 Ny fanalan-jaza “Azo heverina ho ara-dalàna ny fitsaboana amin’ny fandidiana ny “embryon”-n’ olombelona, raha toa izany ka manaja ny aina sy ny maha-izy manontolo an’ilay “embryon”, ary tsy mamela azy amin’ny loza mety hitranga …
  6. 2276 Ny etanazia Mila fanajana manokana ireo izay mihena na mihaosa ny ainy. Tokony hotohanana ny olona marary na sembana mba ho afaka mivelona ara-dalàna, sady araka ny tokony ho izy no araka izay azo …
  7. 2277 Ny etanazia Ny etanazia, na inona na inona antony sy fomba amam-pitaovana ampiasana azy, dia mifototra amin’ny fanaperan’ain’olona sembana, marary na miala aina. Tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izany. Tahaka izany, ny asa atao na …
  8. 2278 Ny etanazia Ny fampijanonana ny fomba fitsaboana lafo vidy, mampidi-doza, tsy araka ny fanao na tsy mifanandrify amin’ny vokatra antenaina ho azo, dia mety ho ara-dalàna. Izany no fandavana “ny ala nenim-pitsaboana”. Tsy ny …
  9. 2279 Ny etanazia Na dia heverina ho mananontanona aza ny fahafatesana, tsy mety hifanaraka amin’ny rariny ny mampitsahatra ny fitsaboana tsy maintsy atao mandrakariva amin’ny olona marary. Ny fampiasana ny fanafody mahadonto mba hanamaivanana ny …
  10. 2280 Ny famonoan-tena Tompon’andraikitra amin’ny ainy ny tsirairay, eo anatrehan’ Andriamanitra izay nanome azy izany. Kanefa, Izy Andriamanitra irery no Tompo tsy refesi-mandidy amin’izany. Manana adidy isika handray izany amim-pankasitrahana sy hiaro izany ho voninahiny …
  11. 2281 Ny famonoan-tena Fironana voa-Janahary ao amin’ny olombelona ny mitsimbina sy mampaharitra ny ainy, koa manohitra izany ny famonoan-tena, sady manohitra mafy ny fitiavana marina ny tena. Manafintohina ny fitiava-namana koa ny famonoan-tena, satria manapaka …
  12. 2282 Ny famonoan-tena Raha mikendry ny hotahafin’ny hafa, indrindra ho an’ny tanora ny famonoan-tena, dia mampitombo kokoa ny halehiben’ny fanafintohinana. Manohitra ny lalàna môraly ny fiaraha-miasa an-tsitrapo amin’ny famonoan-tena. Ny mety hampihena ny haben’ny fahadisoana …
  13. 2283 Ny famonoan-tena Tsy tokony hanary toky amin’ny famonjena mandrakizay ireo olona mamono tena. Azon’Andriamanitra atao ny mamorona ho azy ireny, amin’ ny lalana izay Izy irery no mahalala, ny fitahiam-pibebahana ho amin’ny famonjena. Mivavaka …
  14. 2284 Ny fanajana ny vatana sy ny fanahin’ny hafa : ny fanafintohinana Ny fanafintohinana dia fihetsika aseho na fitondran-tena izay mitarika ny hafa hanao ratsy. Mahatonga ny tenany ho mpaka fanahy ny namany, ny olona manafintohina. Manimba ny hatsaram-panahy sy ny hitsim-po izy ; …
  15. 2285 Ny fanajana ny vatana sy ny fanahin’ny hafa : ny fanafintohinana Manana halehibe manokana ny fanafintohinana, arakaraka ny fahefan’ireo izay mahatonga izany na amin’ny fahosan’ireo izay iharan’izany. Fahazavan-kevitra avy amin’ity teny milaza loza nolazain’ny Tompontsika ity izany : “Izay manafintohina ny anankiray amin’ireny …
  16. 2286 Ny fanajana ny vatana sy ny fanahin’ny hafa : ny fanafintohinana Ny fanafintohinana dia mety ho avy amin’ny lalàna na avy amin’ny rafi-panorenana, avy amin’ny fomba fiaina na avy amin’ny hevitry ny olona. Araka izany, melohina ho mpanafintohina ireo izay mamorona lalàna na …
  17. 2287 Ny fanajana ny vatana sy ny fanahin’ny hafa : ny fanafintohinana Ilay izay mampiasa ny fahefana ananany, amin’ny fomba mahatarika hanao ratsy, dia manamelo-tena amin’ny fanafintohinana sy tompon’ andraikitra ny ratsy izay ankasitrahany mivantana na tsy mivantana. “Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, …
  18. 2288 Ny fanajana ny fahasalamana Harena sarobidy avy amin’Andriamanitra ny aina sy ny fahasalamam-batana. Tokony hokarakaraintsika amim-pahendrena izany, amin’ny fiheverana ny zavatra tena ilain’ny hafa sy ny soa iombonana. Ny fikarakarana ny fahasalaman ’ny olom-pirenena dia mitaky …
  19. 2289 Ny fanajana ny fahasalamana Raha mitaky ny fanajana ny fiainana ara-batana ny môraly dia tsy manao ny fiainana ara-batana ho ambony indrindra tsy akory izany. Ny môraly dia manohitra ny fomba fisainan’ny mpanompo sampy amin’ny fomba …
  20. 2290 Ny fanajana ny fahasalamana Ny herim-panahy fahalalana onony no mandrisika hisoroka ny karazan’ ny fanao tafahoatra ny mety rehetra , amin’ny filerana sakafo, amin’ny zava-pisotro misy alikaola, amin’ny paraky mbamin’ny sigara ary ny fanafody. Ireo izay …