Ny etanazia

Laharana 2277 amin’ny Katesizy

Ny etanazia, na inona na inona antony sy fomba amam-pitaovana ampiasana azy, dia mifototra amin’ny fanaperan’ain’olona sembana, marary na miala aina. Tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izany.

Tahaka izany, ny asa atao na tsy natao, avy amin’ny tena na amin’ny fikasana, hamonoana ho faty mba hanafoanana ny fangirifiriana, dia anisan’ny famonoan’olona manohitra tanteraka ny fahamendrehan’ny olombelona sy amin’ny fanajana an’Andriamanitra velona, Mpahary azy. Ny fahadisoam-piheverana izay mety ho tamim-pahatsorana no nanaovana izany, dia tsy manova ny toetra maha-asa famonoan’olona azy, izay raràna sy alavirina lalandava[58].

Loharano ôfisialy ↗