Ny fanalan-jaza

Laharana 2272 amin’ny Katesizy

Fahotana lehibe ny fiarahana manala zaza amin’ny fomba mazava. Ny fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana no sazy araka ny lalàna famaizana ampiharin’ny Fiangonana amin’io fandikan-dalàna manohitra ny ain’olombelona io. “Izay mahatonga fanalan-jaza, raha tanteraka ny vokany, dia sazìna amin’ny fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana amin’ny sazy mihatra ho azy (latae sententiae)”[49], “eo no eo ihany amim-panatanterahana ity heloka bevava ity”[50] sy amin’ny fepetra voatondron’ny Lalàna[51]. Tsy ny mampihena ny fahalalahan’ny famindram-po no heverin’ny Fiangonana amin’izany, fa ny mampiseho ny halehiben’ ny heloka bevava natao sy ny fahavoazana tsy hay onerana mihatra amin’ ilay tsy manan-tsiny novonoina, amin’ny ray aman-dreniny ary amin’ny fiaraha-monina manontolo.

Loharano ôfisialy ↗