Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2606 Mivavaka i Jesoa Ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona amin’ny fotoana rehetra, izay andevon’ny fahotana sy ny fahafatesana, sy ny fangatahana rehetra mbamin’ ny fanelanelanana rehetra teo amin’ny tantaram-pamonjena, dia voangona ao amin’io Antson’ny Teny …
  2. 2607 Mampianatra mivavaka i Jesoa Rahefa nivavaka i Jesoa, dia nampianatra antsika sahady hivavaka Izy. Ny lalana avy amin’Andriamanitra momba ny fivavahantsika dia fivavahany tamin’ny Rainy. Kanefa ny Evanjely dia manolotra antsika fampianarana mazava avy amin’i Jesoa …
  3. 2608 Mampianatra mivavaka i Jesoa Nanomboka tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra , nanantitrantitra ny amin’ny fibebahan’ny fo i Jesoa : ny famitranam-pihavanana amin’ny mpiray tam-po ara-pinoana alohan’ny hanolorana fanatitra eo amin’ny ôtely [70] , ny fitiavana ny fahavalo …
  4. 2609 Mampianatra mivavaka i Jesoa Ny fo, tapa-kevitra hibebaka araka izany, dia mianatra mivavaka ao amin’ny finoana . Firaiketan-janaka amin’Andriamanitra ny finoana, mihoatra noho izay tsapantsika sy takatry ny saintsika. Manjary azo atao izany satria ny Zanaka …
  5. 2610 Mampianatra mivavaka i Jesoa Tahaka ny nivavahan’i Jesoa tamin’ny Ray sy nisaorany talohan’ny nandraisany ny fanomezany, no ampianarany antsika izao fahasahian-janaka izao : “Na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa efa azonareo izany” (Mk …
  6. 2611 Mampianatra mivavaka i Jesoa Ny fivavahana amim-pinoana dia tsy ny fitenenana fotsiny hoe : “Tompo, Tompo”, fa ny mampifanaraka ny fo hanao ny sitrapon’ny Ray [80] . Izany fiahiana hiara-miasa amin’ny fandaharan’Andriamanitra izany, no iantsoan’ i …
  7. 2612 Mampianatra mivavaka i Jesoa Ao amin’i Jesoa, dia “efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra” (Mk 1,15), miantso ho amin’ny fibebahana sy ny finoana Izy, nefa koa amin’ny fiambenana . Amin’ny fivavahana ny mpianatra no miandry amim-pitandremana an’Ilay izay …
  8. 2613 Mampianatra mivavaka i Jesoa Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain’i Lioka tamintsika : Ny voalohany, “ilay sakaiza manelingelina” [84] , mamporisika hanao lemozy amin’ny fivavahana : “Dondòny dia hovohaina ianareo.” Amin’izay mivavaka tahak’izany ny …
  9. 2614 Mampianatra mivavaka i Jesoa Raha namboraka an-karihary tamin’ireo mpianany ny misterin’ny fivavahana amin’ny Ray i Jesoa, dia nampiseho azy ireo ny tsy maintsy ho fivavahan’izy ireo, sy ny antsika, rahefa hiverina eo anilan’ny Ray Izy, amin’ny …
  10. 2615 Mampianatra mivavaka i Jesoa Fa indrindra, “ilay Mpanafaka alahelo hafa, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay” (Jo 14,16-17) no omen’ny Ray antsika, rahefa miray amin’ny vavak’i Jesoa ny fivavahantsika. Io zava-baovao amin’ny fivavahana …
  11. 2616 Mihaino vavaka i Jesoa Ny fivavahana amin’i Jesoa dia efa nohenoiny nandritra ny raharaham-pamonjeny, tamin’ny alalan’ireo famantarana izay naneho mialoha ny herin’ ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona : I Jesoa dia mihaino ny vavaka …
  12. 2617 Ny vavak’i Maria Virjiny Ny vavak’i Maria dia nambara tamintsika teo am-piandohan’ny hafenoan’ ny fotoana. Talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy talohan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fivavahany no niara-niasa tamin’ny fomba tokana aman-tany tamin’ny fandaharana feno …
  13. 2618 Ny vavak’i Maria Virjiny Ny Evanjely dia manambara amintsika ny fomba fivavak’i Maria sy fanelanelanany amim-pinoana : tao Kanà [100] , niangavy tamin-Janany ny Renin’i Jesoa ho an’ny zavatra ilaina tao amin’ny sakafon’ny fampakaram-bady iray, famantarana …
  14. 2619 Ny vavak’i Maria Virjiny Izany no mahatonga ny tonon-kiran’i Maria [102] , “ Magnificat”(Mankalaza ny Tompo ny fanahiko) amin’ny teny latinina, “ Mégalinaire” amin’ny teny bizantinina, ho sady tonon-kiran’ny Renin’Andriamanitra no tonon-kiran’ny Fiangonana, sady tonon-kiran’ny Zanakavavin’i …
  15. 2620 Ny vavak’i Maria Virjiny Ny môdely lavorary amin’ny fivavahana, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia miorina amin’ny vavaka maha-zanaka an’i Jesoa. Ny vavak’i Jesoa, natao matetika tany amin’ny toerana mitokana, tany amin’ny toerana mangina, dia manambara firaiketam-po …
  16. 2621 Ny vavak’i Maria Virjiny Tamin’ny fampianarany i Jesoa no nampianatra ny mpianany hivavaka amim-po voadio, amim-pinoana velona sy maharitra, amim-pahasahian-janaka. Miantso azy ireo hiambina Izy ary mandrisika azy ireo hanolotra amin’Andriamanitra ny fangatahan’izy ireo amin’ny anarany. …
  17. 2622 Ny vavak’i Maria Virjiny Ny vavak’i Maria Virjiny, ao amin’ny “ Aoka anie ho tanteraka amiko ” ( “ Fiat ” ) sy ao amin’ny “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko” (Magnificat) dia misongadina amin’ny fanolorana amin-kalalahana …
  18. 2623 Amin’ny andron’ny Fiangonana Tamin’ny andro Pantekôty, ny Fanahin’ny fampanantenana dia nirotsaka tamin’ny mpianatra, “nivory tao amin’ny toerana iray” (Asa 2,1), ka teo am-piandrasana Azy, “dia niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka” (Asa 1,14). Ny …
  19. 2624 Amin’ny andron’ny Fiangonana Tao amin’ny ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema, dia “nazoto tamin’ny fampianaran’ny apôstôly, tsy nivadika tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny fizarana ny mofo ary tamin’ny vavaka” (Asa 2,42) ny mpino. Mampiavaka ny fivavahan’ny …
  20. 2625 Amin’ny andron’ny Fiangonana Ny fivavahan’ny Fiangonana aloha dia ireo izay henoin’ny mpino sy vakìny ao amin’ny Soratra Masina, kanefa ampihariny amin’ny fiainana ankehitriny ireny, singanina manokana ny vavaka Salamo, izay manomboka amin’ny fahatanterahan’izy ireny ao …