Ny vavak’i Maria Virjiny

Laharana 2618 amin’ny Katesizy

Ny Evanjely dia manambara amintsika ny fomba fivavak’i Maria sy fanelanelanany amim-pinoana : tao Kanà[100], niangavy tamin-Janany ny Renin’i Jesoa ho an’ny zavatra ilaina tao amin’ny sakafon’ny fampakaram-bady iray, famantarana ny Sakafo iray hafa, dia ny an’ny fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry amin’ny fanolorany ny Vatany sy ny Rany araka ny fangatahan’ny Fiangonana Vadiny. Ary tamin’ny oran’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, teo am-pototry ny Hazofijaliana[101], no nanekena an’i Maria ilay Vehivavy, ilay Eva vaovao, tena “Renin’ny velona” tokoa.

Loharano ôfisialy ↗