Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2126
Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra
Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra dia matetika miorina amin’ny fisainana diso momba ny fahazakan-tenan’ny olombelona irery, izay tonga hatramin’ny fandavana ny fiankinana rehetra amin’ Andriamanitra [57] . Kanefa, “tsy manohitra velively ny …
→
-
2127
Ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra
Endrika maro no isehoan’ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra. Amin’ny sehon-javatra sasany, tsy mandà an’Andriamanitra ny mpandà ny fahalalana an’Andriamanitra ; mifanohitra amin’izany aza ny tadiaviny, dia ny fisian’ny olona iray mihoatra ny tsapa sy …
→
-
2128
Ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra
Indraindray ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra dia mety hirakitra fikatsahana an’Andriamanitra ihany, nefa koa mety hampiseho ny tsy firaharahana Azy, ny fihodivirana manoloana ny fanontaniana saro-baliana momba ny fisiany, ary ny fahalainan’ny kônsiansy môraly. …
→
-
2129
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Mandrara ny fanehoana rehetra an-tsary an’Andriamanitra ataon’ny tanan’ olombelona, ny didy avy Aminy. Manazava ny Deterônômy hoe: “Satria tsy nahita endrika velively ianareo, tamin’ny andro nitenenan’ny Tompo taminareo, tany Hôreba, teo afovoan’ny …
→
-
2130
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Kanefa, hatramin’ny Testamenta Taloha Andriamanitra no nandidy na nanome lalana ny famoronana sary izay hitarika amim-panehoana an’ ohatra ho amin’ny famonjen’ny Teny tonga nofo : tahaka izany ny bibilava varahina [60] , …
→
-
2131
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Miorina amin’ny misterin’ny Teny tonga nofo no nanamarinan’ny Kônsily ekiomenika fahafito tao Nicée (taona 787) ny fanajana am-bavaka ny sarimasina, hanoherana ny mpanohitra izany : ny sarimasin’i Kristy, nefa koa ny an’ny …
→
-
2132
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Tsy manohitra ny didy voalohany izay mandrara ny sampy, ny fanajana am-bavaka ataon’ny kristianina amin’ny sary. Satria, “ny fanajana atao amin’ny sary dia fanajana ilay olona voaseho amin’izany” [62] , ary, “na …
→
-
2133
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
“ Ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny herinao manontolo ” (Det 6,5).
→
-
2134
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Ny didy voalohany dia miantso ny olombelona hino an’Andriamanitra sy hanantena Azy ary ho tia Azy mihoatra noho ny zavatra rehetra.
→
-
2135
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
“ Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ” (Mt 4,10). Ny mitsaoka an’ Andriamanitra, ny mivavaka Aminy, ny manome haja izay Azy, ny manatanteraka ny fampanantenana sy ny voady natao taminy, dia asan’ny …
→
-
2136
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Mahakasika ny olombelona amin’ny tenany manokana sy ao anatin’ny fiaraha-monina, ny adidy amin’ny fanompoana marina an’Andriamanitra.
→
-
2137
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Ny olona dia “ tokony ho afaka haneho amin-kalalahana ny finoana amam-pivavahana, na ampahibemaso na tsy ampahibemaso ” [65] .
→
-
2138
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Fiviliam-panompoana izay ataontsika amin’ilay Andriamanitra marina ny finoanoam-poana. Miseho amin’ny fanompoan-tsampy izany, ary koa amin’ny endrika samihafa miseho amin’ny sikidy amam-panandroana sy ny mazia.
→
-
2139
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Ny fakàna fanahy an’Andriamanitra amin’ny teny na amin’ny atao, ny sakrilezy, ny simônia, dia fahotana avy amin’ny faniratsiram-pivavahana voararan’ny didy voalohany.
→
-
2140
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra, noho izy manohitra na mandà ny fisian’Andriamanitra, dia fahotana manohitra ny didy voalohany.
→
-
2141
IV. “Tsy hanao sary na inona na inona voasokitra ianao...”
Ny fanajana am-bavaka ny sary masina, dia miorina amin’ny misterin’ny Fahatongavan’ny Tenin’Andriamanitra ho Nofo. Tsy mifanohitra velively amin’ny didy voalohany izany. Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao (Eks 20,7) [66] . …
→
-
2142
I. Masina ny Anaran’ny Tompo
Mandidy hanaja ny Anaran’ny Tompo ny didy faharoa.Toy ny didy voalohany, miankina amin’ny herim-panahy enti-mivavaka ny didy faharoa sy manitsy amin’ny fomba manokana ny fampiasantsika ny fiteny momba ny zava-masina.
→
-
2143
I. Masina ny Anaran’ny Tompo
Amin’ireo teny rehetra momba ny Fanambaràn’Andriamanitra, misy anankiray miavaka dia ny fanambaràna ny Anarany. Ankinin’ Andriamanitra amin’ireo izay mino Azy ny Anarany ; manambara ny Tenany amin’izy ireo ao amin’ny misteriny manokana …
→
-
2144
I. Masina ny Anaran’ny Tompo
Ny fanajana atao amin’ny Anaran’Andriamanitra dia maneho ny fanajana izay tokony hatao amin’ny misterin’ny Tenany sy amin’ny zava-masina rehetra izay ampahatsiahivin’izany mistery izany. Miankina amin’ny herim-panahy enti-mivavaka ny fieritreretana zava-masina : Fihetseham-po …
→
-
2145
I. Masina ny Anaran’ny Tompo
Tsy maintsy mijoro vavolombelon’ny Anaran’ny Tompo ny mpino, amin’ ny fanambaràny ampahibemaso ny finoany tsy hanaiky ho resin-tahotra [70] . Ny asan’ny fitorian-teny sy ny asan’ny katesezy dia tokony ho heniky ny …
→